Zoma 18 Janoary 2019

Lavo tamin’ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe : Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy ? Ary hoy izy : Iza moa ianao, Tompoko ? Dia hoy Izy : Izaho no Jesosy Izay enjehinao. Asan’ny Apostoly 9:4-5

 

Krizy (1) : Ny fifanenana

Ny ohatra(Asan’ny Apostoly 9:1-22) : Saoly (tatỳ aoriana, nanjary ny apostoly Paoly) dia fahavalon’ny kristiana, ary tena nasiaka. Araka ny nolazainy tatỳ aoriana, fahiny izy dia mpiteny ratsy, mpanenjika, mpampahory, lohan’ny mpanota (1 Timoty 1:13, 15). Nankany Damaskosy —any Syria— izy, indray andro, mba hisambotra ny kristiana. Teny an-dalana anefa, tamin’ny mitataovovonana, dia nisy fahazavana namirapiratra naha jamba azy tampoka. Lavo tamin’ny tany izy, ary nahafantatra fa Ilay niantso azy avy any ambony any, ao amin’ny voninahiny, dia Jesosy… Izay nenjehiny, tamin’ny namelezany ireo mpianatr’i Jesosy !

Ny lesona : Fiovam-po tsy manam-paharoa sady mahatalanjona ny an’i Saoly ! Nefa ohatra ho an’ny mpino rehetra (1 Timoty 1:16). Izaho ve mba efa nifanena tamin’ny Tompo ? Mety tsy nampitolagaga toy ny nifanenan’i Saoly taminy, angamba ; nefa raha tena mpino marina aho, dia tsy maintsy nisy andro nahatonga ahy hiondrika teo anatrehan’i Jesosy Kristy velona, sy hihaino Azy niteny tamiko manokana.

Izany fihaonana manova zavatra tanteraka izany, matetika, dia mitranga eo am-pamakiana Baiboly, eo am-pihainoana hafatra, eo am-piresahana amina mpino iray… Ary dia mahatakatra aho, mino : tena velona tokoa Jesosy Kristy ! Tsy Ilay hita maty teo amin’ny hazofijaliana intsony Izy, fa Ilay Tompo any an-danitra, Ilay manana ny fahefana rehetra. Izy koa no “Tompon’ny finoantsika” (Hebreo 12:2), any an-danitra, nefa miray amin’ny mpino tsirairay eto an-tany.

Raha vao nifanena tamin’ny Tompo i Saoly, dia niresaka taminy. Izaho koa, raha nino, dia afaka miresaka aminy, mivavaka aminy, ary miteny aminy hoe : “Tompo Jesosy” !