Asabotsy 19 Janoary 2019

(Hoy Jesosy :) Raha misy olona ta hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy, na avy amin’Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho. Jaona 7:17

 

Zahana toetra ny Baiboly

Nandritra ny fiainako manontolo aho dia mbola tsy nahita olona “tena” mahafantatra ny Baiboly, ka mandà azy. Raha ny marina, dia maro ny tsy mety mizaha toetra azy an-kitsimpo, mba hotaominy handini-tena.

Ny Baiboly dia hafa tanteraka amin’izay boky rehetra nosoratan’olombelona, satria izy dia “nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra” (2 Timoty 3:16). Izy tokoa no ilay Tenin’Andriamanitra, ary ao aminy no ahitako ny sakafom-panahiko isanandro isanandro. Toy ny mpino hafa marobe, dia hitako ny fiovana aterany eo amin’ny fiainako manokana : nianatra hahafantatra ny fahamarinan’Andriamanitra aho, voahitsy ny fironan-dratsiko, ary voadio ny fitiavako. Fa ireo izay tsy mamaky ny Tenin’Andriamanitra kosa dia tsy afaka hahafantatra na inona na inona momba ny tena asany eo amin’ny sain’ny olombelona.

Ny iray amin’ireo antony lehibe inoako ny Baiboly, dia satria izy maneho amiko mazava ny tena toerana misy ahy ara-panahy, zavatra tsy haina boky hafa atao. Asehony ahy mazava ny toetrako taloha : very ao anatin’ny fahotana, ary tsy mahalala ny aina ao amin’Andriamanitra. Ary hitako ao aminy, manomboka amin’ny Genesisy ka hatramin’ny Apokalypsy, ny fanambarana mirindra momba ireo toetran’Andriamanitra, fanambarana tena mifanalavitra amin’izay rehetra mety ho hain’ny olombelona heverina. Asehon’ny Baiboly fa mameno ny fon’ny mpino ny fitiavan’Andriamanitra sy ny maha akaiky Azy, ao amin’i Kristy. Asehony koa fa Ilay Andriamanitra tsy manam-petra, Mpahary izao tontolo izao, dia naniraka ny Zanany, Jesosy Kristy, Izay tonga olombelona. Noho ny fitiavany tsy misy fetra, dia afaka nanavotra antsika Izy teo amin’ny hazofijaliana, satria nanjary nitovy amintsika tamin’ny zavatra rehetra, afa-tsy ny ota.

Araka an’i H. A. Kelly (1858-1943)