Alahady 20 Janoary 2019

Tsy nanana endrika na fahatsaran-tarehy Izy ; ary raha nijery Azy isika, dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy. Isaia 53:2

Tsara tarehy noho ny zanak’olombelona ianao ; fahasoavana no naidina tamin’ny molotrao ; izany no nitahian’Andriamanitra anao mandrakizay. Salamo 45:2

 

Ny tena hatsarana

Amin’izao fotoana izao dia ny sarin’ireo mpanakanto malaza sady tsara tarehy indrindra no hita eo amin’ireny fonon’ny gazety-boky ireny. Ary koa ireo lehilahy malaza eo amin’ny asany no manintona ny rehetra. Matetika ny fiarahamonina misy antsika dia manao tsinontsinona, ary indraindray aza tena lozabe mihitsy, amin’ny olona osa, mahantra, manan-kilema.

Ny tena hatsaran’ny zanak’olombelona dia avy ao anaty. Tsy izay miseho tsy akory, fa izay tena izy marina.

Hoy ny Baiboly amintsika : “Tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah ; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo” (1 Samoela 16:7).

Ny hatsarana faratampony dia ao amin’i Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra tonga olombelona mba hanafaka antsika amin’ny ota. Ny hita taminy, tetỳ ivelany, dia olona nanetry tena. Nahantra Izy, teo anivon’ny olona nahantra, ary tsy nandray Azy ny olony. Fa nasehony antsika kosa izay ankasitrahin’Andriamanitra. Naharihariny ny fitiavana madio, ny fahasoavana, ny fangorahana ireo rehetra nifanena taminy. Sady nambarany koa ny marina, ary “tsy nisy fitaka teo am-bavany” (Isaia 53:9). Nefa dia nataon’ny olona tsinontsinona Izy, nankahalaina, novonoina ho faty. Maty Izy satria tia antsika, ary nanolotra ny tenany hamonjy antsika (Efesiana 5:2), Izy Ilay marina, ho an’ny tsy marina, mba hamonjy ireo izay mino Azy. Mihoatra ny zavatra rehetra ny fahatsaram-pony, mitovy amin’ny hatsaran-tarehiny, araka ny nambaran’ny mpaminany hoe : “Fa akory ny hasoany ! ary akory ny hatsaran-tarehiny !” (Zakaria 9:17).