Alatsinainy 21 Janoary 2019

Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika Ilay marina ; ary isika ao amin’Ilay marina, dia ao amin’i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay. 1 Jaona 5:20

 

Inona no fantatro momba an’Andriamanitra ?

“Izay fantatra ny amin’Andriamanitra... ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny maha-Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony” (Romana 1:19, 20). Efa mba nanaiky hitolagaga ve aho, manoloana ny voary, manoloana io fitoeran’ny olombelona io —fitoerana novolavolain’Andriamanitra—, io natiora manodidina ahy io ? Raha “eny”, dia toy ny nahatsapa ka nahita an’Andriamanitra aho (Asan’ny Apostoly 17:27), mahafantatra fa misy Izy, na dia tsy hitako aza.

Fa Andriamanitra dia naneho ny tenany tamin’ny fomba mbola mahagaga kokoa. Andriamanitra, Izay tsy mba nisy nahita na oviana na oviana, dia naniraka ny Zanany ho etỳ an-tany, ary nampahafantatra ny tenany tamin’ny alalan’io Zanany io (Jaona 1:18). Jesosy, Izay sady Andriamanitra no Olona, dia vavolombelona tena akaiky kokoa ny olombelona, mihoatra lavitra noho ny natiora noforonina. Niaina teo anivon’ny olona Izy, nampionona ny fo maratra, nanasitrana tamin’ny tanany, nanangana ny maty… “Andriamanitra ao amin’i Kristy” (2 Korintiana 5:19).

Asehon’ireo filazantsara efatra antsika io Olona tsy manam-paharoa io. Nanomboka tamin’ny naha torontoronina Azy Jesosy dia efa Ilay Zaza masina, Ilay Andriamanitra tonga nofo. Ny fiainany manontolo tetỳ an-tany dia namirapiratan’ny toetran’Andriamanitra, dia fitiavana sy fahazavana. Raha toa isika miaiky ny toetrantsika manoloana izany fiainana lavorary niainan’i Jesosy izany, dia afaka hanontany tena hoe nahoana moa Andriamanitra no tsy nanameloka antsika… Ry mpamaky, raha tena te hahafantatra marina an’Andriamanitra ianao, dia vakio hatramin’ny farany ny filazantsara. Ny hazofijalian’i Kristy no zava-mahagaga indrindra azontsika fantarina momba ny fahamarinan’Andriamanitra, Izay tsy nitsimbina ny Zanany, noho ny fitiavany antsika.