Talata 22 Janoary 2019

Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana. 1 Jaona 4:16

 

Ny fitiavan’Andriamanitra antsika

Misy olona tsy mba nandre momba ny fitiavan’Andriamanitra ve ? Izany fitiavana izany dia nasehony tamin’ny nanirahany ny Zanany ho etỳ amin’izao tontolo izao. Hita ao amin’ny pejy rehetra ao amin’ny Filazantsara izany fitiavana izany. Io fitiavana io no loharanon’ny soa rehetra tian’Andriamanitra ho antsika. Ny Teny voatanisa erỳ ambony hoe : “Isika efa mahalala sy mino ny fitiavan’Andriamanitra antsika” dia mampiseho fa tena azo tsapain-tanana io fitiavana io, noho ny vokatra aterany ho an’izay mandray azy. Io Teny voatanisa io dia midika fifandraisana velona sy feno fahatokiana, fifandraisana manokana amin’Andriamanitra.

Ny ivon’ny finoana kristiana tokoa mantsy dia ny fitiavan’Andriamanitra antsika, amin’ny maha Mpahary Azy, satria ny fitiavany no nahatonga ny fisiako ; amin’ny maha Mpamonjy Azy, satria nitia fatratra izao tontolo izao Izy, ka “nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16). Mahatratra izay lalina indrindra ao anatiko ny fitiavan’Andriamanitra : afaka miantso Azy hoe Ray aho. Tsy misy fepetra io fitiavany io, satria mandray ahy amin’ny maha izaho ahy Andriamanitra ; tsy miovaova io fitiavana io, satria tsy handao ahy na oviana na oviana Andriamanitra.

Fantatr’Andriamanitra ny fientanam-poko sy ny fisainako, ny fironako sy ny fihetseham-poko. Fantany ny heriko sy ny fahalemeko. Hitany aho ao anaty tsiky na tomany, ao anaty fahasalamana na aretina. Reny ny feoko sy ny fitepon’ny foko… Akaiky dia akaiky Andriamanitra, sady mahafantatra ahy mihoatra noho ny fahafantarako ny tenako. Ary tia ahy Izy. “Akaiky ahy mihoatra noho ny tenako Izy” (Saint Augustin). Ny hoe finoana dia fahatsapana ny fifandraisana akaiky dia akaiky amin’Ilay Andriamanitra fitiavana, sy amin’ny Zanany “Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2:20).