Alarobia 23 Janoary 2019

(Hoy Jesosy :) Mangataha, dia homena ianareo ; mitadiava, dia hahita ianareo ; dondòny, dia hovohaina ianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo ; ary izay mitady no mahita ; ary izay mandondòna no hovohaina. Matio 7:7-8

 

Mamaly Andriamanitra

« Ny fivavahana kristiana dia tsy hoe mino ny fisian’Andriamanitra fotsiny ihany, fa miaina fifandraisana manokana aminy. Niaina ilay fifanenana noresahan’i Kristy aho, indray andro, ary hahatsiaro izany mandritra ny fiainako manontolo. Indray hariva izay, irery tao an’efitranoko aho, nitalaho tamin’Andriamanitra mba hanehoany ny tenany amiko. Dia fiadanana sy fifaliana tsy hay lazaina sady tena tsy takatry ny saina no nameno ahy tsikelikely. Taloha dia sahirana mafy erỳ aho niezaka mivavaka vetivety, fa tamin’io hariva io kosa aho dia nahatsapa ho voataona hiresaka amin’Andriamanitra toy ny namana iray miresaka amina namana. Tena namelombelona ny tato anatiko io fifampiresahana io. Tampotampoka teo dia Teny ao amin’ny Baiboly, noheveriko ho tsy dia manan-danja firy, no nanjary nazava be, nifono hevitra mafonja, ary niantefa amin’ny fiainako. Tsy hoe niova ny Baiboly, fa ny foko no vao nokasihin’ny Fanahy Masina. Matoa Andriamanitra afaka nanome izany fahasoavana tsy mendrika ho an’olona toa ahy izany —be fanahiana, mpiahiahy olona ary mpieboebo—, dia afaka manome izany ho anao koa, raha miresaka aminy am-panetrentena sy an-kitsimpo ary am-pahatokiana ianao. Mangataha amin’Andriamanitra, dia hamaly anao Izy !

Tonga Jesosy mba hampihavana antsika amin’Ilay Raintsika any an-danitra, sy hitondra antsika ho eo amin’ny fanatrehany. Jesosy dia Andriamanitra tonga tetỳ an-tany. Olona lavorary ihany koa Izy, maty sy nitsangana tamin’ny maty, nakarina any an-danitra, ary mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra ankehitriny (Marka 16:19). Araka ny nampanantenain’ny Tompo an’ireo mpianany, dia nirahiny ny Fanahy Masina ho ao amin’ireo rehetra mitoky aminy, mba hahafahan’Andriamanitra mameno ny banga ao amin’ny fanahin’izy ireo. »

Frédéric