Alakamisy 24 Janoary 2019

... hiala ka ho ao amin’i Kristy, satria tsara lavitra izany. Filipiana 1:23

 

Mbola ho avy ny tsara indrindra !

Maurice no anarany. 90 taona izy tamin’izay, nefa dia nampahatsiaro matetika hoe : “Mbola ho avy ny tsara indrindra !”

Tsy misy tokoa, mantsy, tsara mihoatra noho izany hoe miaraka amin’ireo olona tianao sady tia anao. Ary ho ana kristiana toa an’i Maurice, dia tsy nisy hoavy tsara toy ny hoe ho any an-danitra tsy ho ela, miaraka amin’i Jesosy Kristy, Ilay tia azy mihoatra noho ny zavatra rehetra. Saingy ny tian’i Maurice nolazaina koa, dia hoe ratsy indrindra taminy ny ankehitriny sy ny lasa.

Eny tokoa, tsy tsara noho ny hafa tsy akory ny kristiana. Nandritra ny fiainantsika tsirairay, dia tao ny fahadisoana natao, ny toejavatra maizimaizina, ny fihetsika na fisaina tsy mitombina, ekentsika mora foana rehefa avy amintsika, fa tsy avelantsika kosa rehefa avy amin’ny hafa. Antsointsika hoe “zavatra tsy nety kely” ireny rehetra ireny, fa antsoin’Andriamanitra kosa hoe “fahotana”. Nahafantatra izany i Maurice : mpanota avokoa isika rehetra, ary Andriamanitra dia manolotra ny tsara indrindra ho an’ny mpanota !

— Izany no tsy rariny ratsy indrindra ! hoy angamba ny sasany.

— Tsia, satria efa nisy Anankiray nanefa ny saran’izany hoavy feno fahasambarana izany. Ny ainy mihitsy aza no vidin’izany. Jesosy, Izay maty teo amin’ny hazofijaliana, no efa nitondra ny fahotan’ireo izay ho any an-danitra, indray andro any.

— Dia moramora erỳ izany ! hoy indray koa ny hafa.

— Tsia, tsy mora mihitsy ny miaiky fa mpanota. Tena sarotra ny manao izany, tsy eo imason’ny olona tsy akory, fa eo anatrehan’Andriamanitra. Irery, miatrika Azy. Hahitsy fo ary tsy hanandrana hanamarin-tena. Hiaiky aminy hoe : “Mila Anao aho”.

Nanao izany i Maurice : niaiky ny tenany ho mpanota teo anatrehan’Andriamanitra izy, ary nino ny fitiavan’i Jesosy azy. Efa eo anilan’i Jesosy izy ankehitriny. Efa azony ny tsara indrindra. Ary ianao, ny tsara indrindra ve no miandry anao ?