Zoma 25 Janoary 2019

Dia hoy Jesosy tamin’i Simona : Aza matahotra ; hatramin’izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao. Ary rehefa nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an’i Jesosy. Lioka 5:10, 11

 

Krizy (2) : Ny antso ho amin’ny asa fanompoana

Ny ohatra (Lioka 5:1-11) : Nanarato nandritra ny alina tontolo i Petera, ilay mpianatr’i Jesosy, kanefa tsy nahazo na inona na inona. Fa nony maraina kosa dia niakatra tao an-tsambokeliny Jesosy, ary nilaza taminy handroso eny amin’ny lalina sy handatsaka ny haratony. Nataon’i Petera izany, ka zava-mahagaga no niseho : feno hazandrano ny harato ! Koa niteny i Petera hoe : “Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho”. Takany fa Jesosy no Tompo, avy amin’Andriamanitra, ka tsy mahazaka faharatsiana eo anatrehany. Nefa ve ny mba hialan’i Petera tsy ho eo aminy no nanairan’i Jesosy azy ? Tsia, fa ny mba hiantsoany an’i Petera hanompo Azy. Koa dia nandao ny zavatra rehetra izy sy ireo niaraka taminy, ary nanaraka ny Tompo.

Ny lesona : Ahoana ny fomba mety hikasihan’ny fahamasinan’Andriamanitra antsika, toa an’i Petera ? Misy fomba maro samihafa, nefa misy fepetra iray itovizany, dia hoe mifanena amin’Ilay Andriamanitra mampahafantatra ny tenany. Ho an’i Petera, dia tamin’io fanaratoana mahagaga io ; ary ho antsika, matetika, dia amin’ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra. Ny fahagagana nataon’ny Tompo tokoa mantsy no anehoan’ny Baiboly amintsika ny heriny ; nefa tsy ny heriny ihany, fa ny fahamasinany sy ny fitiavany koa.

Tian’ny Tompo hanankinana asa fanompoana ny olony tsirairay. Nefa raha hanompo Azy, dia tsy maintsy mahatsapa ny fahalehibeazany sy ny fahamasinany, tsy maintsy mahafantatra hoe efa voadio ho afaka tamin’ny fahotana rehetra.

Mba nisy andro iray niavaka teo amin’ny fiainako ve, toy ilay andro nandrenesan’i Petera ny Tompo naniraka azy ho “mpanarato olona” ? Nandre ny antson’ny Tompo mba hanompo Azy ve aho ? Vonona ve aho hamaly hoe : “Inty aho, iraho aho” (Isaia 6:8) ?