Asabotsy 26 Janoary 2019

(Hoy Jesosy :) Minoa Ahy fa Izaho ao amin’ny Ray, ary ny Ray ato amiko ; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza. Jaona 14:11

 

Andriamanitra ve Jesosy ? (1)

Imbetsaka Jesosy no manambara ao amin’ireo filazantsara fa Izy dia Andriamanitra (Jaona 5:18 ; 8:58 ; 9:35-38 ; 10:30…). Takatr’ireo mpiara-belona taminy tsara izany (Jaona 5:18), hany ka nitady izay hahafaty Azy izy ireo, noho izany fanambarana izany. Tsy te hanaiky izany izy ireo, ka niampanga an’i Jesosy ho miteny ratsy an’Andriamanitra (Matio 26:65). Nefa ireo fahagagana rehetra nataony dia mampiseho fa Andriamanitra Izy :

— Nampahiratra lehilahy jamba hatrany an-kibon-dreniny Izy (Jaona 9).

— Mankatò Azy ny rivotra sy ny ranomasina. Teny indraim-bava no nampitoniany ny tafio-drivotra mahery (Marka 4:35-41).

— Nahavoky olona mihoatra ny 5000 tamin’ny mofo dimy sy hazandrano roa Izy (Marka 6:34-44).

— Nandeha teny ambony ranomasina Izy (Jaona 6:19).

— Nanova ny rano ho divay Izy (Jaona 2:9).

— Nobaikoiny ny hazandrano iray mba hitondra sekely iray ho Azy sy ny mpianany (Matio 17:24-27).

— Nanasitrana olona malemy, jamba, na boka Izy. Nandroaka demonia tamina teny indraim-bava Izy.

— Jesosy dia nanangana olona efa maty. Noraisiny ny tanana zazavavy roa ambin’ny folo taona, nandry teo ambony farafara. Nasainy niarina ary natolony an-dreniny ny tovolahy iray, nentina tao anaty tranovorona. Nantsoiny hiala amin’ny fahafatesana ilay sakaizany efa voalevina efatra andro tany am-pasana… (Marka 5:36-43 ; Lioka 7:11-17 ; Jaona 11:39-44).

Tsy vonoina ny olona manao ny tenany ho Andriamanitra, fa heverina ho adala. Hitan’ny Jiosy tao amin’i Jesosy tokoa Andriamanitra (nefa tsy tian’izy ireo izany), ka izany no antony nanomboany Azy teo amin’ny hazofijaliana. “Efa hitany sady efa hàlany Aho sy ny Raiko koa” (Jaona 15:24).

(hitohy)