Alahady 27 Janoary 2019

Fa ao amin’ny tenany (tenan’i Kristy) no itoeran’ny fahafenoan’ny fomban’Andriamanitra rehetra. Kolosiana 2:9

Teo amin’izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao. Jaona 1:10

Andriamanitra ... naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy ; hitan’ny anjely, notorina tany amin’ny jentilisa, ninoana teny amin’izao tontolo izao, nakarina tamin’ny voninahitra. 1 Timoty 3:16

 

Olona sady Andriamanitra ve Jesosy ? (2)

Araka ny hitantsika omaly, Jesosy dia nanambara fa Andriamanitra Izy. Nefa ny vatan’i Jesosy —vatana masina— aseho ao amin’ireo filazantsara, dia vatan’olombelona ihany koa, olona feno fanetrentena sy tena lavorary. Mampitolagaga ny fampianaran’i Jesosy, nefa mirindra tanteraka ny tenany sy ny asany. Ary ireo fahagagana nataony, toy ny fitondrantenany manontolo, dia mampiseho fa marina izay nolazainy (Jaona 5:36).

Jesosy dia araka izay nolazainy : Andriamanitra nanjary olona, tonga mba hamonjy ny voariny, satria tiany izy io. Izany fahamarinana azo antoka izany no mampahazava ny tantara rehetra ao amin’ireo filazantsara. “Kristy Jesosy, Izay olona” (1 Timoty 2:5), dia tena fanehoana an’Andriamanitra eo anivon’ny olona. I Jaona, izay niara-niaina tamin’ireo mpianatra nifandray akaiky dia akaiky tamin’i Jesosy, dia nanambara sy nijoro ho vavolombelona, fa izay hatramin’ny voalohany, izay efa ren’izy ireo sy efa hitan’ny masony, izay efa nojereny sy efa notsapain’ny tanany, no tena “fiainana mandrakizay, izay tao amin’ny Ray ka efa naseho” tamin’izy ireo (1 Jaona 1:1-3).

Andriamanitra tonga olona, izany ka zava-miafina ! toejavatra misy akony tsy takatra heverina : Jesosy, Ilay Andriamanitra Avo indrindra, Mpahary izao tontolo rehetra izao, nateraka vehivavy ary nampandriana tao anaty fihinanam-bilona ; Andriamanitra niaina teto an-tany teo anivon’ny olombelona, ary maty teo amin’ny hazofijaliana, toy ny jiolahy, mba hamonjy ilay voariny nikomy taminy. Tsy tantara noforonina izany, fa zava-nisy tsy fahita nefa tokony hinoana, mba hananana ny fiainana mandrakizay ! Jesosy no fahamarinana sy fiainana. Saingy tsy maintsy niteny Izy hoe : “Fa satria milaza ny marina Aho, dia tsy inoanareo” (Jaona 8:45).

“Iza moa Jesosy ?” Aoka hovaliana am-pinoana izany fanontaniana izany, toy ny nambaran’ilay mpianatra hoe : “Tompoko sy Andriamanitro !” (Jaona 20:28).