Alatsinainy 28 Janoary 2019

Tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana... Hebreo 9:27

Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao. Asan’ny Apostoly 16:31

 

Ary raha mba anio moa no androko farany ?

Anikeheo maraina, vao nifoha aho dia nisy eritreritra nanaitra ahy : Raha mba ity moa no andro farany iainako eto an-tany ? Avy hatrany dia hontsa aho, nieritreritra ireo olona akaiky ahy. Ary koa : Vonona ny ho faty ve aho ? ... Eny e, efa novonjen’i Jesosy ho afaka tamin’ny herin’ny fahafatesana aho. Ny nahafatesany sy ny nitsanganany tamin’ny maty no nahazoako ny fiainana mandrakizay. Ny hoe ho faty, dia ny hiaraka aminy any amin’ny fahasambarana sy fiadanana eo anilany, “any am-paradisa” (Lioka 23:43).

Nefa tsinjoko koa ilay hantsana hampisaraka ahy amin’ireo rehetra tsy nanaiky hahalala an’Andriamanitra, Izy Izay te hamonjy antsika amin’ny fahafatesana sy ny fitsarana. Hazavain’ny Baiboly amintsika ny nahatonga ny fahafatesana hahatratra ny olona rehetra, sy ny lalana ahafahana miala amin’izany. “Fa fahafatesana no tambin’ny ota ; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika” (Romana 6:23).

Ny fahafatesana no mamarana ny fahaveloman’ny vatantsika eto an-tany, nefa koa mamarana tsy azo iverenana intsony ny fahafahana mandray io fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra io, dia ny fiainana mandrakizay. Misy ny any ankoatra, ho an’ny olona rehetra. Aiza no handaniako io mandrakizay tsy hanam-pahataperana io ? Hiaraka amin’i Jesosy ve ? Sa lavitra ny fifaliana eo amin’ny fanatrehany, any amin’ny “farihy afo” (Apokalypsy 20:15) ? Fadio ny miteny hoe : “Mbola ho hitako eo izany, any aoriana any”. Iza no tompon’ny ampitso ? Efa vitan’i Jesosy avokoa ny zavatra rehetra, mba hahafaka antsika amin’ny fahafatesana. Anio Izy dia mbola miteny amin’ny tsirairay hoe : “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao ?” (Jaona 11:25-26).