Talata 29 Janoary 2019

Tsy hamarinina amin’ny asan’ny lalàna ny olona, fa amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy, dia nino an’i Kristy Jesosy koa isika mba hohamarinina amin’ny finoana an’i Kristy, fa tsy amin’ny asan’ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna. Galatiana 2:16

 

Asa sa finoana ?

Mety hihevitra ianao hoe marobe ireo vondrom-pivavahana eto amin’izao tontolo izao. Raha ny marina, anefa, dia tsy misy afa-tsy roa ihany. Ny iray dia mangataka ny ho mendrika ny fahasoavan’Andriamanitra. Ny iray kosa dia mampikambana ireo izay manaiky fa tsy afaka manome na inona na inona an’Andriamanitra, mba hamelany na dia ny iray monja amin’ireo fahotany ihany aza.

— Irỳ voalohany dia mitaona ny olona hanao asa mendrika, ho takalon’ny fahamelohany, mba hahazo fankasitrahana avy amin’Andriamanitra sy ny paradisa : manao asa soa, manaraka fombafomba, manao sorona ny fotoanany, ny harenany, ny tenany, ny ainy… Izany dia resaka “ity sy nday”. Saingy iza no hahay hanatanteraka izay takian’Andriamanitra ? Dia ho very ve izany ny mahantra, izay tsy mba manana na inona na inona hatolotra ho takalo ?

— Ny faharoa dia voarafitr’ireo “malahelo” ireo indrindra, izay tsy afaka miteny afa-tsy hoe : “Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota”. Izany dia fiekena hoe tsy mahay manao izay hahamendrika mba hahazo fankasitrahana avy amin’Andriamanitra, ary koa fiantorahana amin’Andriamanitra, Izay hany mahay mandamina ny momba ny fahotantsika. Koa manamafy izany Jesosy hoe : “Izany lehilahy izany, nidina tany an-tranony, efa nohamarinina” (Lioka 18:13-14). Mihoatra lavitra noho ny hoe voavela heloka : nohamarinina.

Amin’ny fomba ahoana ? “Fa fahasoavana no namonjena anareo, amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha” (Efesiana 2:8-9).

Nahoana ? Satria Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, “Izay tsy nahalala ota, dia efa nataony (nataon’Andriamanitra) ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy kosa isika” (2 Korintiana 5:21).

Mba haninona ? Mba hanaovantsika ny asa tsara, izay efa nomanin’Andriamanitra hataontsika (Efesiana 2:10).