Alarobia 30 Janoary 2019

Mamindrà fo amiko..., vonoy ny fahadisoako… Vonoy ny heloko rehetra. Salamo 51:1, 9

Izao no lazain’i Jehovah : ... Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao, noho ny amin’ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao. Isaia 43:16, 25

 

Mamadika ny pejy hoe ?

Tsy maintsy mandika andalan-tsoratra kaliana folo isanandro i Mamy, any an-dakilasy. Mahasorena azy mihitsy izany ! Enga anie ka ho vita haingana ! Efa kely sisa dia ho vita ilay izy, kanjo nisy namany nandona azy tsy nahy tamin’ny kihony, ka nanjary lava be ny tsipika tamin’ny “t”. Nasiany totohondry ilay namany, ary vao mainka niitatra ny tsipika teo amin’ilay taratasy. Niezaka nikosoka izany tamin’ny gaoma i Mamy, kanjo loza fa niforiporitra ilay taratasy. Inona no hatao ? Navadiny haingana ny pejy. Saingy hitan’ny mpampianatra ny zava-drehetra niseho teo. Naveriny ilay pejy, ary nasiany naoty ratsy sy fanamarihana momba ny fihetsiny, tamin’ny penina mena.

Matetika isika dia mihevitra fa afaka mandamindamina ny zava-drehetra amin’ny “famadihana ny pejy” : Eny e, diso aho, fa manomboka izao dia hanao tsaratsara kokoa. Nefa afaka mamafa ny lasa ve ny fiezahana hanao ny tsara ankehitriny ? Tsia ! Ny androntsika dia voasoratra eo imason’Andriamanitra, toy ny eo amina pejy mivelatra mitandahatra, ka tasy iray fotsiny eo amin’ny pejy iray dia manintona ny maso avy hatrany ary mandoto ny pejy manontolo. Ary misy koa aza ve moa pejy tsy misy tasy mihitsy ?

Nefa izay tsy haintsika atao, dia hain’Andriamanitra ary tiany hatao : “Na dia [mena] tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny orampanala” (Isaia 1:18). “Saingy efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika” (1 Korintiana 6:11). “Ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra” (1 Jaona 1:7).