Alakamisy 31 Janoary 2019

Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy. Marka 10:21

Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroa, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra ; Izao angaha no Kristy ? Jaona 4:29

 

Ny fijerin’Andriamanitra

Ao anatin’ny fiarahamonina misy antsika dia tsaroana tokoa ny maha irery ny tena, ary matetika tsy laitra zakaina, na dia « mifandray » amin’ny finday sy internet aza ny olona. Lehibe koa ny fahorian’ireo izay mahatsapa fa tsy mba misy miraharaha. Firifiry moa ireo manapa-kevitra hamono tena, rehefa tsy mahita na inona na inona ifaharana intsony, satria very fanahy mbola velona… Ho an’ny sasany dia ohatra ny miposaka aloha loatra ny masoandro : « Fara faharatsiny », hoy izy ireny anakampo, « mba tsy mieritreritra na inona na inona, rehefa matory ». Nefa na ny torimaso, aza, dia mety handao antsika, ka manjary fotoana lavabe mampitebiteby ny alina, ilay fotoana mba noheverina hanadinoana.

Andriamanitra anefa dia mihevitra ny olona tsirairay noarìny. Fantatsika fa na ny alina, na ny haizina, dia tsy afaka manafina antsika tsy ho hitany. Jereo ny fomba firesaky ny Tompo Jesosy tamin’ny olona, dia ho hitanao ny atao hoe fijerin’Andriamanitra. Mazava koa raha mazava ! Tsy diso mihitsy ny fijeriny ny toetrantsika, kanefa dia feno fangorahana antsika mandrakariva Izy.

Ny Filazantsara dia miresaka momba ny lehilahy iray, izay sambany nifanena tamin’i Jesosy. Gaga izy, nahita fa fantatry ny Tompo avokoa na ny anarany, na ny fiainany, ka nanontany hoe : “Ahoana no ahafantaranao ahy ?” Namaly Jesosy hoe : “Fony tsy mbola niantso anao Filipo, dia hitako teo ambanin’ny aviavy ianao” (Jaona 1:48). Anio koa dia mbola mijery antsika hatrany ny Tompo Jesosy.

Irery ve ianao, tsy mana-namana ? Ho anao ny fitiavan’ny Tompo Jesosy. Akaiky Izy, malemy fanahy, mandondòna eo am-baravaranao. Tsy manelingelina an’iza na iza Izy. Vohay ny fonao, hidirany, izany hoe miresaha aminy, amin’ny fiteninao, fa hihaino anao Izy, hiresaka aminao…

Hoy Jesosy : “Hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko” (Apokalypsy 3:20).