Zoma 1 Febroary 2019

Ary Davida sy ny mpanaraka azy dia nanandratra ny feony nitomany ambara-paha-tsy nahatomany intsony izy... fa Davida kosa nampahery ny tenany tamin’i Jehovah Andriamaniny. 1 Samoela 30:4, 6

 

Krizy (3) : Ny fahadisoana

Ny ohatra (1 Samoela 30:1-20) : Fony mbola tanora i Davida dia niaraka nandritra ny fotoana fohy tamin’ny fahavalon’ny fireneny, izy sy ny miaramilany, mba handositra ny fanenjehana : fahadisoana be izany ! Nanafaka azy tamin’izany toerana tsy nilamina izany Jehovah, kanefa navelany ihany koa hisy zava-tsarotra, vokatr’io fahadisoana io. Nandritra ny tsy naha teo azy ireo, dia nisy nandroba sy nandoro i Ziklaga, ilay tanàna nonenany, ary nanjavona ny zaza amam-behivavy… Maty ve izy ireo ? Sa lasa babo ? Namoy ny zavatra rehetra i Davida. Na ireo namany aza nivadika taminy. Tsy nanana na inona na inona intsony izy... afa-tsy Andriamanitra ! Noho izany “Davida … [dia] nampahery ny tenany tamin’i Jehovah Andriamaniny”. Nahazo hery indray izy, nivavaka tamin’ny Tompo, ary nanontany Azy izay tokony hataony. Dia nanenjika ireo mpaka an-keriny izy, ka niverina taminy ny zavatra rehetra !

Ny lesona : Angamba aho nandeha tamina lalana tsy izy, lavitra ny Tompo, ka malahelo. Very daholo ve ny zava-drehetra ? Fahadisoako no nahatonga izany, ary fantatry ny namako izany… Inona no hatao ? Toa an’i Davida, dia ny mivavaka sy ny mampahery ny tena ao amin’ny Tompo (Efesiana 6:10). Mitady am-pahatokiana tanteraka ny fanatrehany, na dia mahatsapa ny tena ho ao anaty lavaka lalina aza ; tsy manafina na inona na inona aminy. Manaiky ny fitsarany momba izay rehetra nataoko, ary tsy misalasala ny amin’ny famelan-keloka atolony mbamin’ny fahasoavany sy ny heriny. Izany no atao hoe “mampahery ny tena ao amin’ny Tompo”, ary vokatr’izany eo no ho eo, dia ho tsapako ny fiadanany, fiadanana lalina, tsy misy rahona. Manaraka izany, rehefa akaiky Azy ny foko, dia hanana hery aho hanontany Azy izay tokony hataoko, mahatsapa tena fa tsy mendrika hahazo na inona na inona, kanefa koa mahafantatra fa tian’ny Tompo ny mamaly ny zavatra andrasan’ny olony sy ny hetahetan’izy ireo, ary ataony am-pahamoram-po lehibe izany.