Asabotsy 2 Febroary 2019

Fa Ianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka ary be famindrampo amin’izay rehetra miantso Anao. Salamo 86:5

 

Nahare ny fitarainako Izy

Fanaon’ity tovolahy iray, indraindray, rehefa mirava ny orinasa, ny mizara taratasy kely miresaka momba ny finoana kristiana tamin’ireo mpiara-miasa aminy. Tena nanorisory ny iray tamin’izy ireo anefa izany, hany ka nataon’izy io izay rehetra azony natao, mba hisotasotana azy. Nony nipoaka ny ady tamin’ny taona 1939, dia niely avokoa izy rehetra.

Tamin’ny taona 1965 dia nisy andian’ankizy hiara-mandeha hanao fialan-tsasatra, niandry teo amin’ny gara, ary nihira fihirana kristiana. Nihaino azy ireo ity lehilahy iray, teo akaiky teo. Taorianan’izany dia nanatona azy ireo izy, ary nitodika tamin’ilay mpitarika ary nanontany azy hoe : “Tadidinao ve aho ? Izaho ilay nampisy olana maro teo aminao tany amin’ny orinasa, taona maro lasa izay, noho ireo taratasy kely ara-pilazantsara nomenao anay.

Hitanao ? lasa babo an’ady aho, ka noterena hiasa nikapa hazo tany an’ala. Ary mafy, tena mafy ny fiainana tany. Nampijaliana loatra aho, ka nanangona ny entako, indray takariva, fa nikasa hamono tena. Saingy indro tao amin’ny fanambanin’ny kitapoko, nisy taratasy kely iray efa naloto sady niforiporitra, nahitako soratra hoe : “Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao” (Asan’ny Apostoly 16:31). Sombina trakta natolotrao izy io. Teo no ho eo aho dia niantso mafy hoe : Andriamanitra ô, raha misy tokoa Ianao, dia mba ataovy mahazo vaovao momba ny ankohonako aho !

Roa andro taorianan’izany aho dia nampanantsoin’ny mpiambina. Nomena fehezan-taratasy sy fonosan’entana iray avy amin’ny Vokovoko Mena aho. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana dia nody tany an-trano aho, ary tsapan’ny rehetra fa niova tanteraka. Nahita ny loharanon’ny tena fifaliana aho : ny Tompo Jesosy Kristy no Mpamonjiko sy fiadanako ary fanantenako.”