Alahady 3 Febroary 2019

Jesosy nasainy (nasain’i Pilato) nokapohina, dia natolony azy mba hohomboana amin’ny hazofijaliana... Ary dia ... nandrandrana satroka tsilo, ka nasatrony ny lohany ... izy... Ary dia nikapoka ny lohany tamin’ny volotara izy sady nandrora Azy... Ary rehefa nanao Azy ho fihomehezana izy, dia ... nentiny hohomboany amin’ny hazofijaliana Izy. Marka 15:15-20

 

Eo akaikin’ny hazofijalianao

 

Eo akaikin’ny hazofijalianao, ry Tompo, ry Mpampianatro,

Tariho hankeo ny diako

Mba hanakaiky, mba hahafantatra bebe kokoa

Ilay Fitiavana nanolotra ny tenany hamonjy ahy.

Tao Golgota ilay Fitiavana nandresy

No nahakasika ny foko ho mandrakizay.

 

Ary raha torotoro noho ny fahoriana aho,

Ka lavo indraindray,

Dia velona indray, feno fanantenana,

Eo akaikin’ny hazofijalianao, ry Mpamonjiko !

 

Ary io hazofijaliana io dia manatsotra ny sandriny

Lavidavitra kokoa hatrany, ho an’ny olona rehetra,

Ka avy any rehetra any dia misy feo mamaly

Io antson’Andriamanitra mitaona mafy io.

Tao Golgota ilay fitiavana mahery

No nandresy ny fahafatesana nanomboka hatreo.

 

Maurice Budry

“Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika” (Romana 8:38-39).