Alatsinainy 4 Febroary 2019

Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin’ny lavaka fahalevonana ; fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra. Isaia 38:17

 

Fiadanana sa fangidiana (1)

Olona maro no iharan’ny tsy fitovian-jo sy tsy rariny miharihary, any amin’ireo tany lazaina fa mandroso. Lainga efa manjary mahazatra, fihatsarambelatsihy, fireharehana, fihazakazahana hahazo vola —izay matetika amin’ny fanambakana ny mahantra— no manosika hanao hetsika samihafa ao anatina fiarahamonina izay te hiseho ho tsara anefa, raha jerena etỳ ivelany. Ireny faharatsiana rehetra ireny dia antsoin’ny Baiboly hoe ota. Ny ota no mandetika ny olombelona ao anaty fahoriana lehibe sy fangidiana lalina. Koa inona no hatao, raha tsy hikomy na hamaly faty ? Izany mantsy no lalana tian’i Satana hitarihana ny zanak’olombelona mba hahapotika azy.

Nefa tia antsika Andriamanitra, Ilay nahary antsika. Tsy misy fangidiana ao anatin’ny fony, na dia eo aza ireo faniratsirana rehetra ataontsika aminy. Manana lalana iray hafa aroso ho antsika Izy, dia ny fitiavana. Tonga tetỳ an-tany Jesosy mba hampahafantatra io lalana io. Faratampony ny fitiavany antsika : ny ainy no natolony ho an’ny fahavalony ! Rehefa hanatona ny hazofijaliana Izy mba hanao fampihavanana, dia niteny hoe : “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6). Ankehitriny, izay manaiky hiara-manao dingana iray aminy dia mahafantatra fa nitia azy Jesosy Kristy, ary nitondra teo amin’ny hazofijaliana ny famaizana sahaza ireo fahotany. Ho an’Andriamanitra dia toy ny efa nariana tany ivohony ireny. Tsy tsarovany intsony ireny, ary hoy Jesosy amin’izay matoky Azy hoe : Ho aminao anie ny fiadanana !

Koa raha niara-nanao io dingana voalohany io tamin’i Jesosy ianao, dia vonona hanao iray faharoa koa. Hoy Jesosy amintsika : “Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo, mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo” (Matio 5:44, 45).

(rahampitso ny tohiny)