Talata 5 Febroary 2019

Esory aminareo ny fo lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra ; ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy. Efesiana 4:31-32

 

Fitiavana sa fangidiana ?

Araka ny hitantsika omaly, ny olona mino ny fitiavan’Andriamanitra, Izay nanolotra ny Zanany Lahitokana, dia mandray ny fahasoavany. Voavela tanteraka ny fahotany rehetra, ary manana ny fiainana mandrakizay izy. Fiadanam-po lalina no mitoetra ao anatiny. Manjary afaka mitia izy, satria “ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny (nentin’Andriamanitra) nampidina ny fitiavan’Andriamanitra ho ao am-pontsika” (Romana 5:5). Raha tia an’Andriamanitra isika, satria Izy efa tia antsika taloha, dia tokony ho tia ny rahalahintsika ihany koa (vakio 1 Jaona 4:19-21). Rariny izany, ary koa fanirian’ireo rehetra itoeran’io fitiavan’Andriamanitra io.

Io andinin-tSoratra Masina eo ambony io nefa dia ho ana kristiana. Angamba isika efa latsaka tao anaty toejavatra toy io voalaza io, toejavatra namelantsika ny fangidiana hanafotra antsika ka mamelona ny lolompo. Toy ny tapi-dalan-kaleha isika. Nanjavona ny fiadanana sy fifaliantsika ao amin’i Kristy. Mampitandrina antsika ny Baiboly : “Mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana” (Hebreo 12:15).

Raha tsapantsika manenika antsika ny fihetsehampo toy izany, dia aoka isika hitodika amin’ny Tompo Jesosy. Aoka hibanjina ny hazofijaliana ; ny fahatsiarovana izay niaretany no hanala tao an-tsaintsika ny fangidiana sy ny lolompo ary ny fankahalana. Ho tafavoaka avy ao amin’ny lalana tampina isika, ka hahita ny lalan’ny famelan-keloka. Tsy ny nanomboana ny Mpamonjy teo amin’ny hazofijaliana ve no tsy rariny lehibe indrindra nataon’ny olombelona ? Niteny Jesosy teo amin’ny hazofijaliana hoe : “Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony” (Lioka 23:34). Fitiavana toy inona re izany ! Andao hanaraka izany ohatra nasehony izany.