Alarobia 6 Febroary 2019

Fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika ... Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra. Romana 8:26, 28

Fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo. Matio 6:8

 

Tsy ilay fitaovana sahaza

Simban’i Gaby vao teo ny lohan’ny lamasininy. Ny rainy dia olona tia manamboamboatra ary vonona hanampy azy mandrakariva, koa mazava ho azy fa nankany aminy i Gaby. Saingy nivily tao amin’ny toeran’ny fitaovam-piasana, aloha, izy ; nisalasala kely teo izy, dia nisafidy sokodrevo (tournevis) menamena tsara tarehy iray, ary dedaka erỳ nampiseho izany tamin-drainy, niaraka tamin’ilay kilalao simba. Nandinika ilay kilalao ny rainy, ary avy eo nijery ilay tournevis, dia nihifikifi-doha sady niteny hoe : “Tsy ity mihitsy no fitaovana mety, ry Gaby a, sady mila tandra ihany koa aho”. Nankao amin’ny toeran’ny fitaovana ny rainy, nisafidy ireo izay mety ; ka vetivety foana dia voamboatra ilay kilalao. Natolony ny zanany ilay kilalao sady hoy izy : “Amin’ny sisa, ry Gaby, avelao izaho ihany no hisafidy ny fitaovana hampiasaiko”.

Ry zanak’Andriamanitra, misedra fahasahiranana isika, ka tsy misalasala mitady vonjy amin’Ilay Raintsika any an-danitra. Saingy isika ve, indraindray, tsy manao toa an’i Gaby koa ? Manana hevitra isika momba ny fomba tokony hiasan’Andriamanitra, sy momba ny fitaovana tokony hampiasainy. Tahaka ilay zazalahy teo, nitondra ny tournevis nosafidiny, dia te « hanoro hevitra » an’Andriamanitra isika. Matetika anefa dia tsy izay eritreretintsika na izay atorontsika no « fitaovana mety » amin’ny zava-miseho.

Aoka àry isika ho hendry sy hanetry tena, ka hitondra tsotra fotsiny eo amin’Andriamanitra ny olana mahazo antsika. Dia avelao Izy hisafidy ny « fitaovana tiany hampiasaina ». Tsy voafetra sady maro tsy hita pesipesenina ny fomba ahafahany manatanteraka izany. Matetika Izy dia mampiasa toejavatra sy fomba tsy ho nosafidintsika na noheverintsika akory. Nefa aoka isika ho resy lahatra fa ny fomba iasany dia hendry sy tena sahaza izay trangan-javatra entintsika eo aminy.