Alakamisy 7 Febroary 2019

Tao ny tena Mazava, Izay mahazava ny olona rehetra, tonga amin’izao tontolo izao. Jaona 1:9

(Hoy Jesosy :)Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Matio 11:28

 

Jesosy Kristy, Ilay fahazavan’izao tontolo izao

Ny fiarahamonina any Frantsa, ankehitriny, dia miezaka hamafa izay rehetra mety ho fifandraisana amin’ny fivavahana kristiana, noho ny fotokevitra mifototra amin’ny tsy fifampidiran’ny raharaham-panjakana sy ny raharaham-piangonana. Nitsiry nandritra ny taonjato faha-18, nantsoina hoe taonjaton’ny fahazavana, ny hevitra hoe mahay mamaha ny olana rehetra ny fisainan’olombelona. Dia niantomboka ny fianteherana amin’ny fandrosoana sy amin’ny fivoaran’ny olona, fa tsy amin’Andriamanitra. Inona no vokatr’izany, roanjato taona atỳ aoriana ? Na teo aza ilay « fahafahana ho an’ny rehetra » nokatsahina fatratra, dia fahadisoam-panantenana, tebiteby ary fahatsapana tsy fandriampahalemana no hita !

Satria mikatsaka fatratra ny hahaleo tena ny olona, ary tsy manaiky na Andriamanitra na tompo, dia tsy afaka hahita afa-tsy fahoriana, sy izay toy ny afo eo amin’ny fifandraisan’ny olombelona : “He ! ianareo rehetra izay mampirehitra afo sy mifehy kilalaon’afo manodidina anareo, mandehana amin’ny lelafonareo sy amin’ny zana-tsipìka misy afo, izay narehitrareo. Izao no hanjo anareo avy amin’ny tànako : Handry amin’ny fahoriana ianareo.” (Isaia 50:11). Aza mihevitra intsony fa hihatsara tsikelikely ny olombelona, noho ny ezaka ataony, tsy hainy atao izany.

Eo anivon’ny korontana eto amin’izao tontolo misy antsika izao, dia ny Tenin’Andriamanitra no manazava antsika sy manokatra ho antsika ny lalana mankany amin’ny fahazavana. Tia antsika Andriamanitra, nirahiny teto amin’izao tontolo izao ny Zanany Lahitokana. Jesosy Kristy, Izay fanehoana feno ny fahazavan’Andriamanitra eto an-tany, dia tsy tonga mba hanameloka ny olona mikomy amin’Andriamanitra, fa mba hamonjy azy. Ahirato ny maso, aoka isika tsirairay hitodika amin’i Jesosy, Ilay hany afaka manome fiainam-baovao ho antsika. “Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany” (Jaona 1:12).