Zoma 8 Febroary 2019

Fa izy (Elia) kosa nandeha ... ka nanao hoe : Aoka izay ! alao ny aiko ankehitriny, Jehovah ô, fa tsy tsara noho ny razako aho. Ary raha nandry natory teo ambanin’ny anjavidy anankiray izy, indro, nisy anjely nanohina azy ka nanao taminy hoe : Miarena, ka homàna. 1 Mpanjaka 19:4, 5

 

Krizy (4) : Ny hakiviana

Ny ohatra (1 Mpanjaka 19:1-18) : Nivavaka mafy tamin’Andriamaniny i Elia mpaminany. Ho valin’izany, dia nilatsaka indray ny ranonorana, taoriana haintany nampitondra faisana. Toa tena mahery sy feno hafanam-po ilay mpaminany. Andro vitsy tatỳ aoriana anefa, dia kivy tanteraka izy satria niharana fandrahonana. Nandositra izy, ary namoy fo ka nangataka an’Andriamanitra mba hanaisotra ny ainy.

Hitan’Andriamanitra anefa izy. Nisy anjely iray nanolotra sakafo mafana sy rano ho azy, ary niteny taminy hoe : “Miarena, ka homàna”. Dia mbola tonga fanindroany toy izany indray Andriamanitra, teo amin’ity mpanompony ity. Ary taorianan’izany Izy vao niverina niteny tamin-kery sy fahamoram-panahy tamin’ny fieritreretan’i Elia, ka namelombelona ny finoany.

Ny lesona : Na izay mpino matanjaka indrindra amin’ny finoana aza, dia mety ho tratran’ny hakiviana lalina, indraindray… Maro ny antony mahatonga izany. Teto i Elia dia kivy, nefa vao avy nahazo fandresena lehibe, izay noheveriny fa azony noho ny tsy fivadihany. Manjary mahatsiaro ho irery, ka mahatsapa ho torotoro, rehefa manadino fa Andriamanitra no manao ny zavatra rehetra ! Amin’izay vao mianatra manetry tena…

Nefa mbola harena lehibe noho izany ny lesona hoe : ny hakiviantsika —matetika vokatry ny hadisoantsika— dia manetsika ny Tompo hangoraka antsika. Tsy hadinony isika, na oviana na oviana : asehony antsika amina antsipirian-javatra faran’izay madinika ny fanatrehany sy fikarakarany antsika. Te hanarina antsika Izy, te hanome hery antsika indray (matetika amin’ny alalan’ny Baiboly, izay tena sakafom-panahy) ary te hanohana ny finoantsika.

Nangataka ny ho faty i Elia. Tsy nanaraka ny teniny Andriamanitra, fa nanomana azy kosa mba halainy ho any an-danitra, ka tsy handalo fahafatesana (2 Mpanjaka 2:11). Na dia tratran’ny hakiviana faratampony aza isika, dia anomanan’ny Tompo fotoana ifaliana sy hoavy mamiratra hazavana.