Asabotsy 9 Febroary 2019

Tsinjovy ny voromanidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny ; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo ? Matio 6:26

 

Tsinjovy ny voromanidina

Nijanona aho, tao anaty ala, nony nandre feom-borona. Fantatro ny sasany tamin’ireny. Nisy tenin’i Jesosy niverina tao an-tsaiko : “Tsinjovy ny voromanidina… Diniho tsara ny fanirin’ny voninkazo any an-tsaha”.

Taomin’Andriamanitra isika handinika ireny voromanidina sy voninkazo namboarin’ny tanan’ny Mpahary ireny, kanto dia kanto, kanefa marefo sy mora simba. Nampitafiany fitafiana mahafinaritra izy ireny, karakarainy, fahanany ary ampitomboiny.

Koa ahoana moa no tokony hanahy isika, izay voary nataony “tahaka ny endriny” ? Isika ve, amin’Andriamanitra, tsy sarobidy kokoa noho izay voninkazo na voronkely ?

Koa andao hisintona lesona amin’izany. Marina fa marefo isika, ary mitebiteby mieritreritra fanontaniana maro tsy takatry ny saina. Mikorontan-tsaina isika manoloana zava-tsarotra toa tsy misy vahaolana, na manoloana ireo zava-manorisory madinidinika mpiseho andavanandro. Hoy Jesosy amintsika : “Fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra” (Matio 6:32). Aoka isika hatoky Azy ary hikatsaka isanandro ny fanatrehany sy ny fanjakany.

Marihina fa ny voromanidina dia tena mahery miasa. Mamboatra ny akaniny izy, mamahana ny zanany, ary ny sasany mifindra monina indroa isan-taona. Ny mpino koa dia misahana asa maro isan-karazany. Te hitarika sy hikarakara azy Andriamanitra, mba hanatanterahany ireny asa ireny amin’izay fomba tsara indrindra. Ary hanao zavatra “mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza” Andriamanitra (Efesiana 3:20).

Raha misy zavatra mitambesatra amiko nefa tsy voafehiko, dia ampio aho, Tompo ô, mba hametraka izany aminao ! Fantatro fa ho eo mandrakariva, mba ho ahy, ny fiadananao, ny fanatrehanao, ny fahamarinanao ary ny fitiavanao.