Alahady 10 Febroary 2019

Iza no mahajanona eo anoloan’izao Jehovah Andriamanitra masina izao ? 1 Samoela 6:20

Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra. 1 Timoty 2:5, 6

 

Fahazoan-dalana

Taloha elabe, hono, dia nisy lehilahy iray naniry hihaona tamin’ny filoha amerikana. Nanontaniana mpiambina izy, teo amin’ny “Maison Blanche” (fonenan’ny filoha amerikana), raha manana fahazoan-dalana na nomena fotoana. Tsy nanana izany anefa izy, ka dia tsy navela hiditra. Nony niova ny mpiambina, dia nanandrana hiditra indray izy, kanefa tsy nahazo. Kivy sy ketraka izy. Nanatona azy ity ankizilahy kely iray, ka nony nahita azy nalahelo, dia nanolo-tena hanampy azy. Nandà ilay lehilahy, satria nihevitra fa tsy afaka hahatakatra ny olana mahazo azy io ankizy io. Nisisika ihany ilay ankizy, ka dia nohazavain’ilay lehilahy taminy ny faniriany hihaona amin’ny filoha. Nandalo tsy nisy olana ny fisavana rehetra izy ireo, nojeren’ny mpiambina am-pitiavana, ka tonga teo am-baravaran’ny biraon’ny filoha, izay tsy iza fa … ny rain’ilay ankizy !

Iza moa no afaka hanatona Ilay Andriamanitra masina, amin’ny alalan’ny tenany samirery ? Na dia lisitra asa soa natao aza, tsy hoekena ho fahazoan-dalana. Finoana ny Tompo Jesosy sy ny sorona nataony : izany finoana izany irery ihany no hahazoako mandray ny fahasoavan’Andriamanitra. Jesosy irery ihany, Izay nanefa ny avotr’ireo fahotako, no afaka mampiditra ahy eo anatrehan’Andriamanitra. Izy no mitarika antsika, toy ny hoe mitantana antsika, ho eo anatrehan’ny Rainy, Izay manjary Raintsika ihany koa, amin’izay. Taomin’i Jesosy isika mba hivavaka amin’ny Ray, amin’ny anarany (Jaona 16:23). Anisan’ireo tombontsoa lehibe ananan’ny kristiana ny fahazoany manatona an’Andriamanitra, toy ny manatona Ray. “Raha mivavaka ianareo, dia ataovy hoe : Ray ô…”, hoy Jesosy tamin’ny mpianany (Lioka 11:2). Aza matahotra ny hiresaka amin’Ilay Raintsika, satria tia antsika Izy (Jaona 16:27).