Alatsinainy 11 Febroary 2019

Kristy maty noho ny fahotantsika, araka ny Soratra Masina ; dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina. 1 Korintiana 15:3

Rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin’ny tànana ankavanan’ny Lehibe any amin’ny avo. Hebreo 1:3

 

Fanorenana roa

— Ny fahafatesan’i Jesosy Kristy teo amin’ny hazofijaliana no fototra anatanterahan’Andriamanitra ny drafitra rehetra najorony ho an’ny olombelona, araka ny fahasoavany. Ankehitriny, ary ho mandrakizay, dia io fahafatesana io no porofom-pitiavana lehibe indrindra nasehon’Ilay Andriamanitra Mpamonjy antsika. “Vita”, hoy Jesosy, namoy ny ainy teo amin’ny hazofijaliana, ho an’olona meloka (Jaona 19:30). Io teny io no tombokase manamarina fa tontosa ny asa nataony. “Vita” : teny tokana amin’ny fiteny fototra (ny teny grika), nosoratana teo ambanina faktiora voaloa tanteraka. Io teny io no apetraka eo ambanin’ny lisitra lavabe mitanisa ny fahotako, raha mino aho fa efa nozakain’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana ny sazin’ireo. Koa dia manjary marina aho, eo anatrehan’Andriamanitra, manjary “hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany … noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy” (Romana 3:24).

— Ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, noho ny herin’Andriamanitra, no manamarina fa nahafeno tanteraka izay takian’ny fahamarinan’Andriamanitra ny asa nataony. Maty Jesosy noho ny fahadisoantsika, kanefa kosa natsangan’Andriamanitra ho fanamarinana antsika (Romana 4:25).

Eny, raha ny amin’Andriamanitra, dia tontosa an-tsakany sy an-davany ny zavatra rehetra, ho famonjena tanteraka ny olombelona very. Ambarany amin’ny olona izany, ary andrasany izay havalin’izy ireo. Koa inona no havaliko ?

Ny fisalasalana ve, izay manao an’Andriamanitra ho mpandainga ?

Ny avonavona ve, izay mandà tsy hanaiky an’Andriamanitra ?

Ny hambo ve, hoe hitondra asa afaka hahavonjy ahy, eo amin’Andriamanitra, toy ny hoe tsy ampy ny nataon’i Kristy ?

Ny tsy fahaiza-mankasitraka Ilay maty hamonjy ahy ve ?

Ny tsy firaharahana ve ?

— Sa kosa ny finoana, izay manaiky tsotra fotsiny handray ny fanomezan’Andriamanitra sy ny asa nataon’i Kristy mba hamonjeny ahy ?