Talata 12 Febroary 2019

Fa ianao kosa, mahonona tena amin’ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan’ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao. 2 Timoty 4:5

 

Kristiana : mpianatr’i Kristy hoe ?

Teny an-dàlana no nanomboka ny tantara. Somary sahisahy ihany aho, nanatona olona iray :

— Manahoana, tompoko ô ! mbola ankizy aho, nefa mba te hiresaka an’i Jesosy aminao, satria hitako hoe malahelo ianao, ary angamba reraky ny fiainana. Fantatrao ve fa velona Jesosy, ary te hahasambatra anao anio, sady mahay manao izany ?

— Eee ! aza miresaka fivavahana amiko, fa fitaka be izany ; efa hitako akaiky ny fihatsarambelatsihy-na mpivavaka, manao ratsy mihoatra noho ny hafa aza !

— Azo antoka, indrisy, fa marina ny teninao : ekeko izany ; kanefa ve tsy heverinao fa tokony havahana ny asehona fivavahana kristiana fadiranovana toy izany, sy ny tena finoana an’i Jesosy Kristy ? Alaivo an-tsaina anie hoe angalariko ny akanjonao ary anaovako, dia lasa aho mamaky trano. Nisy vavolombelona nahita ahy nandositra, nefa tsy nahatratra ahy. Ary satria tadidiny ilay akanjonao nanaovako, dia toriny any amin’ny polisy ianao. Inona no holazainao raha samborina ianao, satria hoe namaky trano ?

— Laviko eo no ho eo, ary lazaiko fa tsy izaho no nanao ilay akanjoko.

— Izany mihitsy ! Dia toy izany koa, Jesosy Kristy dia tsy azonao afangaro amin’ireo misandoka mitondra ny anarana hoe kristiana.

— Marina ihany angamba ny voalazanao ! Hoeritreretiko ny momba izany.

Fotoana vitsivitsy taorianan’izay, dia nanatona ahy io rangahy efa zokiolona io.

— Hono hoy aho, ry misionera kely, ahoana no hahatonga ahy ho kristiana, raha tsy mamonjy fotoam-pivavahana aho ?

Ho valin’ny fanontaniany, avy hatrany izahay dia niara-namaky teny tao amin’ilay Testamenta Vaovao fanaoko am-paosy ; ary navelako ho azy io, nony avy eo. Tamin’ny fihaonanay manaraka, dia namiratra teny amin’ny tavany ny fifalian’i Kristy !