Alarobia 13 Febroary 2019

Miseseha hiditra amin’ny varavarana èty ianareo. Lioka 13:24

Fa èty ny vavahady ... izay mankany amin’ny fiainana. Matio 7:14

(Hoy Jesosy :) Izaho no vavahady ; raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy. Jaona 10:9

 

Vavahady tokana

Mba hahatakaran’ny rehetra ny fampianarany, dia matetika Jesosy no nanazava izany amina ohatra nosintoniny avy amin’ny fiainana andavanandro, na amina zavatra fampiasa mahazatra : jiro, sira, lalana, voam-bary, mofo, vola…

Manambara ny tenany ho vavahady ny Tompontsika, vavahady manokatra ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Mba hahatongavana any, dia tsy maintsy mandalo eo aminy. Tery io vavahady io, miohatra amin’ny lalana migodana mankany amin’ny fahaverezana. Vitsy ny olona mankeo amin’io vavahady io, nefa mitondra mankany amin’ny fiainana izy io. Raha mbola mivoha io vavahady io, na iza na iza te handingana azy am-panentrentena, dia omen’Andriamanitra ny fahasoavany. Efa antomotra nefa ny fotoana hikatonan’izy io, ary tsy hisy afaka hamoha azy intsony.

Jesosy dia te hanafaka antsika amin’ny ota ; ary maneho lalana hialana amin’izany koa ny fiteny hoe “ny vavahady”, maneho fomba iarovan-tena, maneho fialofana. Kristy, ho an’ny mpino, dia sady lalana anatonana ny Ray no fiarovana amin’ny ratsy.

Hoy Jesosy : “Izaho no vavahady”, ilay hany fomba hahitana fiadanana, hivoahana amin’ny toejavatra faran’izay mampamoy fo. Jesosy no vahaolana amin’ireo zava-tsarotra izay heverintsika ho tsy hay resena, amin’ireo loza manambana, amin’ireo fahotana mangeja.

Matetika isika dia mikofokofoka ao anatin’ireo olana mianjady amintsika manokana ary tsy mety voavaha. Nefa na tapi-dalan-kaleha toy izany aza isika, dia mbola misy ihany lalana ivoahana, raha avelantsika hiditra an-tsehatra Jesosy. Izy no valiny lehibe ahitana fanafahana amin’ireo olana rehetra, na ireo mahazo antsika manokana, na ao an-tokantrano, na ao amin’ny fianakaviana, na ao amin’ny fiarahamonina. Jesosy irery no afaka manampy sy te hanampy antsika.