Alakamisy 14 Febroary 2019

Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah : na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny orampanala. Isaia 1:18

Ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra. 1 Jaona 1:7

 

Manomboka anio, ry Tompo…

13 taona i Erino Dapozzo (1907-1974) no nandeha niana-draharaha, lavitra ny fonenany. Nivavaka ho azy ny reniny, ary nampahatsiahy azy ao amin’ireo taratasy alefany, mba hamaky ny Baiboly. Indray andro dia navoakan’i Erino avy tao anaty vata ny Baiboliny, ary nosokafany kisendrasendra. Nampifoha ny fieritreretany ny Tenin’Andriamanitra, ary nampiseho taminy fa tsy nilamina ny fiainany teo anoloan’Andriamanitra.

“Tokony hiova izao zavatra izao”, hoy izy anakampo. Dia nanapa-kevitra izy hanatanteraka fikasana tsara : “Manomboka anio, ry Tompo, hankatò ny mpampiasa ahy aho, hitsahatra tsy handainga intsony, sns.”

Niezaka izy, nifandimby teny ny andro, nefa tsy niova izy. Nony farany dia nanapa-kevitra izy hanoratra teo amina taratasy, hoe : “Manomboka anio, ry Tompo, dia tsy hanota intsony aho, manome toky Anao aho fa izao no farany (Izaho Dapozzo no manao sonia)”. Herimpo very maina !

Niharihary taminy fa tsy nisy nahomby ny ezaka nataony, ary tsy nisy dikany ireo fikasana tsara noheveriny. Dia takany tamin’izany fa Jesosy Kristy irery ihany, noho ny fahasoavany, no mahay manafaka azy amin’ny fahotany, satria maty nisolo toerana azy.

Rehefa nanjary evanjelista izy, tatỳ aoriana, dia niteny tamin’ireo mpihaino azy hoe : « Tsy mahafaka fahotana iray akory eo amin’ny fiainanao, na vola an-tapitrisa tapitrisany, na vavaka an-tapitrisany, na asa soa iray sambo, na ranomaso be mangeniheny toy ny ranomasina ! Fa ny ran’i Jesosy Kristy kosa, ny rany sarobidy latsaka teo amin’ny hazofijaliana, dia mahafafa ny fahotanao rehetra”.

Ry mpamaky, miteny tahaka an’i Dapozzo ve ianao, hoe : “Manomboka anio, ry Tompo…” ? Miezaka ny hihatsara ve ianao, saingy tsy mahomby ? na manao ezaka maro, mba hahafaly an’Andriamanitra ? Manaova toa an’i Dapozzo : miovà hevitra, ary mangataha fanampiana amin’i Jesosy, Ilay Mpamonjy. Tiany ianao, amin’izao maha ianao anao izao, ary tiany hovonjena maimaimpoana.