Zoma 15 Febroary 2019

Fa izaho, dia saiky nibolasitra ny tongotro... ; satria nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy.
Fa, izaho, dia ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy ; Ianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko.
Salamo 73:2, 3, 28

 

Krizy (5) : Ny fahasosorana

Ny ohatra (Salamo 73) : Asafa no nitarika ny hira, tamin’ny andron’i Davida mpanjaka. Mpino efa nanolo-tena izy, saingy nihevitra hoe toa fijaliana sy fahoriana no atokan’Andriamanitra ho an’ireo izay matahotra azy, ary arovany tsy ho azon’izany kosa ireo mpiavonavona sy ireo ratsy fanahy. Koa sosotra izy, ary efa hiampanga an’Andriamanitra ho tsy marina. Koa nahoana àry no hanalavitra ny faharatsiana ?

Notohizany io fisaintsainana mampangirifiry azy io, kanjo, tampotampoka teo dia nazava taminy ! Nasehon’Andriamanitra ny fiafaran’ny lalan’ny ratsy fanahy. Mampivarina mivantana any amin’ny loza ny lalana arahin’izy ireo. Fitaka fotsiny ihany ilay fahombiazan’izy ireo etỳ an-tany. Koa niravoravo i Asafa fa nahalala an’Andriamanitra, ary nankasitraka ny fanatrehany : “Fa, izaho, dia ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy”. Te hidera ny Tompo izy.

Ny lesona : Ry kristiana namana, isika ve indraindray tsy mba mitsiriritra ireo izay manana ny zavatra rehetra omen’ny fiainana, kanefa tsy miraharaha an’Andriamanitra ? Ny mpino ve tsy be zava-manahirana kokoa noho ireo tsy dia miasa saina loatra ? Izany fomba fijery izany anefa dia tsy mahita afa-tsy ny seho ivelany ihany.

Raha ny marina, ireo izay tsy mametraka ny fitokisany amin’Andriamanitra ary manaiky hivarina ho amin’ny ratsy, no matetika tojo fijaliana maro, any aoriana ; fa indrindra, hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra izy ireo, indray andro any. Mifamadika amin’izany kosa, marina fa ady tokoa ny hoe mino ny Tompo Jesosy sy mikatsaka hanao izay ankasitrahiny, kanefa izany dia miaro ny fieritreretana tsy ho semban’aloka, ary tena mahatonga ho sambatra.

Tombontsoa lehibe aoka izany ny hoe afaka mivavaka am-pahatokiana amin’ny Tompo ! Loharanom-pifaliana ny fanatrehan’Andriamanitra… ary ny mpino ihany no mahafantatra io loharano io.