Asabotsy 16 Febroary 2019

Inona no hiarovan’ny zatovo ny làlan-kalehany tsy ho voaloto ? Ny fitandremana araka ny teninao. Salamo 119:9

Ato am-poko no iraketako ny teninao, mba tsy hanotako aminao. Salamo 119:11

 

Mitoetra ho madio hoe ?

Fanontaniana tena mipetraka amin’ny mpino izany, indrindra fa amin’ireo tanora ! Satria nino isika, dia nandray avy amin’Andriamanitra ny famelana ireo fahotantsika, saingy mbola ao anatintsika hatrany ilay fironana hanao ratsy, hanota… Koa inona àry no tokony hatao ?

Manome valiny iray ny Baiboly, ao amin’ireo andinin-tSoratra Masina erỳ am-piandohana ireo. Ny tokony hatao dia ny mirakitra ny teny ao am-po. Midika izany, hoe mahafantatra andininy ao amin’ny Baiboly, manana izany ao an-tsaina, mba hampiasaina manoloana ireo safidy ataontsika isanandro. Mihoatra lavitra noho izany aza, fampahatsahivana mahery izy ireny, hitodihana amin’ny tsara, rehefa tandindomin-doza hanao ratsy isika. Ny Tenin’Andriamanitra tokoa mantsy dia manohitra ny ratsy rehetra. Koa izao safidy izao no eo anoloako : na ny ota, mampitokana ahy ho lavitra ny Tenin’Andriamanitra ; na ny Tenin’Andriamanitra, mampitokana ahy ho lavitra ny ota. Efa nahafantatra io tsiambaratelo io ve ianao ?

Ampahatsahivin’Andriamanitra an’i Josoa mpanompony izany. Ampirisihiny izy mba hisaintsaina “andro aman’alina” ny Tenin’Andriamanitra (Josoa 1:8). Tokony hifantoka tanteraka amin’izany izy. Ny fahasalamantsika ara-panahy, izany, dia miankina amin’ny famakiana ny Baiboly ; raha ataontsika antsirambina ny famakiana Baiboly, dia ho fiainana malahelo, tsy misy hery, ny fiainana maha kristiana antsika, ary ho tandindomin-doza hidiran’ny fahalotoana.

Tokony hamaky ny Baiboly isika, sady hisaintsaina azy, ka hiezaka ny hampihatra azy eo amin’ny fiainantsika. Andao lazaina amin’ny Tompo ny faniriantsika hankatò izay ambarany ao amin’ny Teniny. Andao hangataka aminy ny hery hanatanterahana izany. Andao hampihatra izay vakiantsika, ary hametraka ny fanontaniana hoe : Inona no ampahafantarin’ny Tompo ahy androany ? Amin’izay dia handroso isika : “Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin’izany, mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao” (1 Timoty 4:15).