Alahady 17 Febroary 2019

Moa misy olona mahafin-tena ao amin’ny fierena va ka tsy ho hitako ? hoy Jehovah. Jeremia 23:24

Raha mandinika heloka Ianao, Jehovah ô, iza no hahajanona, Tompo ô ? Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, mba hatahorana Anao. Salamo 130:3-4

 

Ny fifaliana rehefa voavela heloka

— Ary raha tsy maintsy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny fiainako moa aho, indray andro any ? Inona no hataoko ? Tsy mba niraharaha Azy mihitsy aho hatrizay, ary tsy nanao afa-tsy izay saim-pantatro. Nanao heloka maro teo anatrehan’ny olona ihany koa aho, ary azo antoka fa teo anatrehan’Andriamanitra tokoa izany. Manameloka ahy ny fieritreretako… Miezaka hahita fialan-tsiny aho, nefa arakaraka ny ijereko ny lasako no atahorako an’Andriamanitra.

Mba te hiafina aho, kanefa aiza ? Hitany aho na aiza na aiza misy ahy, na any an-tranoko, na amin’ny alina… Tsy misy miafina aminy, na ny tenako, na ny eritreritro miafina indrindra. Mamoy fo aho. Iza no afaka hanala ahy amin’izao toejavatra mampivarahontsana izao ?

— Ry sakaiza, marina ireo lazainao ireo. Meloka eo anatrehan’Andriamanitra ianao, toy ny olona rehetra ihany. Na izany aza anefa, Andriamanitra dia tsy mpitsara marina fotsiny, fa Andriamanitra “fitiavana” ihany koa. Tia anao manokana Izy. Matetika ianao no nanao tsinontsinona sy naniratsira Azy, nefa tiany ihany, na izany aza. Sady tsy takatry ny saina izany no mahatalanjona.

Miredareda aoka izany ny fitiavan’Andriamanitra, hany ka nirahiny tetỳ an-tany Jesosy mba hanambara ny fahasoavany sy ny fahamarinany. Nefa masina ihany koa Andriamanitra. Tsy azony odian-tsy hita ny ratsy, fa tsy maintsy faiziny.

Koa dia nanao sorona ny tenany Jesosy. Teo amin’ny hazofijaliana nampijaliana Azy Izy dia nangataka tamin’Andriamanitra mba hamela ny helok’ireo mpampijaly Azy. Nafoin’Andriamanitra Izy, nandritra ny ora telo, ary maty nisolo antsika. Koa io famaizana sahaza anao sy atahoranao mafy io, dia efa niaretan’i Jesosy, nisolo toerana anao. Lazao amin’Andriamanitra fa very ianao raha tsy avelany heloka, ary raiso ny famotsoran-keloka atolony. Tsy mandà an’iza na iza Izy. Dieny izao ianao dia efa afaka mihavana amin’Andriamanitra, sy mifaly ao amin’i Jesosy Kristy !