Alatsinainy 18 Febroary 2019

Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina ; iza moa no mahafantatra ny aminy ? Izaho Jehovah. Jeremia 17:9

Ny Tompo... hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina ka hampiseho ny fikasan’ny fo. 1 Korintiana 4:5

 

Fitaratra manova endrika

Amin’ireo zavatra rehetra manintona ao anatin’ity toerana fialamboly tsidihinay miaraka amin’ny zanakay ity, dia ireo fitaratra manova endrika no maro mpizaha indrindra. Finaritra erỳ ny tsirairay, mijery ny hafa eo, mihomehy mahita ny vatany fohy kely sady ngezabe na ny ranjony goavana, ary tsy mahatsapa foana hoe mampihomehy toy izany koa anie ny sariny.

“Fantaro ny tenanao”, hoy ny teny filamatr’ilay filôzôfa antsoina hoe Socrate. Nefa ahoana no hahatongavana amin’izany fahalalana izany ? Hiantehitra amin’ny fitsaran’ny tena samirery ve ? Tena sarotra raha sady ho mpitsara no hotsaraina ! Hiantehitra amin’ny hafa ve ? Handiso ny fomba fitsaran’izy ireo ny hatsaram-panahy, na ny fitadiavana tombon-tsoa, na ny fialonana. Somary manova endrika avokoa ny fitaratra rehetra ampiasaintsika.

Nefa kosa misy fitaratra iray tena mijery marina, dia ny Baiboly, izay Tenin’Andriamanitra. Asehony mazava tsara izay rehetra mba tiantsika hafenina, izay rehetra fahadisoantsika, ny tanjon’ny teny sy asa ataontsika… Tsy ilaina ny mihevi-tena ho tsy manan-tsiny, eo amin’ny fahazavan’Andriamanitra. Ny hany azontsika atao dia hoe miaiky fa meloka. Nefa ambaran’ny Baiboly antsika ihany koa fa tonga Jesosy mba hamonjy ireo olo-meloka ireo, mba hanafaka ireo voaheloka ireo.

Mahalala marina izay heverin’Andriamanitra momba antsika : izany no atao hoe mahafantatra tsara ny tena. Ny mahafantatra hoe te hamonjy antsika Izy, dia midika ho fiheverana fiaingana vaovao. Ny maka ho an’ny tena, amin’ny alalan’ny finoana, ny sorona nataon’i Kristy tany Kalvary, no votoatin’io fiaingana io, sady fanombohana fiainam-baovao. Kristy dia “maty hamonjy ny olona rehetra… mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy” (2 Korintiana 5:15).