Talata 19 Febroary 2019

Ary ny mpanjakavavin’i Sheba ... dia nilaza taminy izay rehetra tao am-pony. Ary voavalin’i Solomona izy tamin’izay rehetra nanontaniany azy. 1 Mpanjaka 10:1-3

(Hoy Jesosy :) Ny mpanjakavavy avy tany atsimo... avy tany amin’ny faran’ny tany izy hihaino ny fahendren’i Solomona ; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto Matio 12:42

 

Izay rehetra tao am-pony

Solomona mpanjaka, zanak’i Davida, dia be harena sy voninahitra, ary koa nanana fahendrena tsy fahita firy. Nahare ny lazany ity mpanjakavavy iray tany an-tany lavitra be. Tsy nino izy io, ka izy tenany mihitsy no te hahita hoe izany tokoa ve. Koa nanao dia lavabe izy, mba hihaona amin’i Solomona. Napetrany tamin’i Solomona izay fanontaniana rehetra tao am-pony. Ary tsy nisy, na iray aza, fanontaniana sarotra loatra ho an’i Solomona. Nitodi-doha nody ilay mpanjakavavy, nitolagaga tamin’ny fahendrena sy voninahitra nihoatra lavitra noho izay notantaraina taminy.

Fony tetỳ an-tany Jesosy dia niresaka an’io mpanjakavavy tonga nanontany an’i Solomona io. Ary hoy koa Jesosy, momba ny tenany : “Misy lehibe noho i Solomona eto”. Jesosy tokoa mantsy dia tsy olona faran’izay hendry fotsiny, tahaka io mpanjaka io, fa Izy mihitsy no ilay fahendren'Andriamanitra nitafy vatan'olombelona (1 Korintiana 1:24). Ary tsy nisy diso fanantenana ireo izay nanatona Azy. Hatramina mpiambina nasaina nisambotra an’i Jesosy dia niaiky hoe : “Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany” (Jaona 7:46).

Isika rehetra dia tojo fanontaniana saro-baliana ihany koa, ankehitriny. Indraindray ao am-pontsika ao dia misy fanontaniana tena mampangirifiry hoe “nahoana ?”. Ary tsy afaka manazava ny zavatra rehetra ny fahendrentsika.

Aoka isika hitodika am-pahatokiana amin’i Jesosy, ary hilaza aminy ireo zavatra saro-pantarina momba ny tenantsika manokana. Tsy misy zavatra tsy voafehiny, na inona na inona. Mety tsy ho takatsika daholo ny zavatra rehetra, kanefa dia hitony isika, mieritreritra fa tia antsika Izy, sady misy fanazavana na valim-panontaniana fantany, rehefa mila izany isika.