Alarobia 20 Febroary 2019

Mahareta amin’ny fivavahana, ka miambena amin’izany amin’ny fisaorana. Kolosiana 4:2

Mivavaha, ka aza mitsahatra. 1 Tesaloniana 5:17

 

Tapaka fifandraisana sa mifandray tafahoatra ?

« Hatramin’ny nahazoan’ny zanako vavy smartphone izay, dia tsy manao na inona na inona intsony izy ao an-trano, afa-tsy ny mampiasa an’io ». Misy ray aman-dreny sasany, tsy mahazoazo ny fivoarana momba ny solosaina sy finday ankehitriny, ary ny hafa kosa mankafỳ tanteraka izany. Tao anatin’ny taona vitsivitsy, izao, dia nanjary nanenika ny andavanandrontsika ny fitaovam-pifandraisana samihafa : finday, smartphone, tablette, solosaina fitondra —tsy misy tady manakana tsy hifindrafindra toerana. Miampita haingana dia haingana ny vaovao, amin’ny alalan’ireny fitaovana mahery ireny. Lehibe tokoa ny fakam-panahy hijanona hifandray mandritra ny tontolo andro, amin’ny alalan’ny fitaovana ananan’ny tena, mba haharaka ny vaovao farany. Rehefa « mifandray tafahoatra » amin’ny finday na solosaina, anefa, dia « tapaka fifandraisana » amin’ny manodidina, tafahitsoka ao anaty tontolo foronin’ny tena ihany. Manjary mitoka-monina ao anaty tontolo manadino ny zava-misy eo akaiky eo.

Taomin’Andriamanitra ny olona tsirairay mba hamaly ny antsony, ka handray sy hino ny hafatry ny Filazantsara. Tsy mandeha ho azy ho antsika io « fifandraisana » amin’ny Filazantsara io, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra, ary tsy maintsy ilaina. Amin’izay isika dia manana fifandraisana tsy tapaka amin’Andriamanitra, ahazoana antoka fiarovana sy fiadanana, ho an’ny fiainantsika eto an-tany. Mila mihazona io « fifandraisana » io isika, mba ho voatarika amin’ny lalana tsara, eo anivon’ireo lalana maro dia maro azo aleha. Hadinontsika indraindray fa fifamatorana tsy tapaka sy feno fahatokiana amin’Ilay Andriamanitsika, amin’ny alalan’ny vavaka, no miaro antsika amin’ireo fironana ratsy manodidina antsika, ary manampy antsika ao anatin’ny zava-tsarotra. Tsy ho tafahoatra ho ahy, na oviana na oviana, ny « fifandraisako » amin’Andriamanitra. Tiany ny mahita ny olona noarìny mikolokolo ny fifandraisana aminy. “Aoka ho fantatrareo fa efa navahan’i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy ; Jehovah hihaino, raha miantso Azy aho” (Salamo 4:3).