Alakamisy 21 Febroary 2019

Jehovah no mahalala ny hevitry ny hendry, fa zava-poana izany. 1 Korintiana 3:20

Aza manao anao ho hendry ; matahora an’i Jehovah, ka mifadia ny ratsy. Ohabolana 3:7

 

Ilay hany tompoko

Tao amina valan-dresaka vao tsy ela izay, dia resy lahatra tanteraka ity minisitra vehivavy iray nilaza hoe : « Ny hany tompoko, dia ny fieritreretako ». Ary nampiany hoe : « Tsy te hitady aho hoe inona, ato anatiko, ny anjara avy amin’ny fanabeazana ara-pivavahana azoko, ny kolontsaiko, ny fahalalana notovoziko. Vokatr’izany rehetra izany aho, zavatra mifangaroharo misy mirindra tsara ary misy mifanipaka ihany koa ».

Mazava ho azy fa tsara ny manaraka ny fieritreretan’ny tena, saingy amin’izay dia mipetraka ny fanontaniana hoe : amin’inona no ampifanarahana ny fieritreretana. Nahatsapa izany ilay minisitra, nilaza fa izy dia vokatry ny fanabeazana azony sy ny kolontsainy ary ny fahalalany. Ny fieritreretan’ny olona iray dia hafa noho ny an’ny iray hafa. Noho izany, ny milaza hoe : « Ny hany tompoko dia ny fieritreretako », dia midika hoe ny hany tompoko dia izay eritreretiko, izany hoe ny tenako ihany !

Tsy izany velively no ambaran’ny Baiboly. Ny tsara sy ny ratsy dia tsy resaka kolontsaina mihitsy. Ny tsara sy ny ratsy dia ny mifanaraka na tsia amin’izay lazain’Andriamanitra, Ilay Mpahary ny olombelona. Izy no mitoetra ho Ilay mpitsara farany ny tsirairay. Ny fahotan’ny olona tany am-boalohany dia ny nanapahany hevitra samirery momba ny atao hoe tsara sy ny atao hoe ratsy. Izany fahadisoana izany dia mitarika ho amin’ny fihoaram-pefy rehetra, nefa tsy afaka manova na inona na inona amin’izay ambaran’Andriamanitra amintsika momba ny atao hoe ny tsara sy ny ratsy. Manana fieritreretana tokoa ny olombelona, saingy tsy ny fieritreretana no mamaritra ny fenitra. Andriamanitra, fa tsy ny olombelona, no fenitra ho an’ny zavatra rehetra sy nipoiran’ny zavatra rehetra. Tsy maintsy ampifanarahana amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fieritreretana. Mihaino an’Andriamanitra raha te hahita ny fahamarinana sy ny lalan’ny fiainana ara-panahy.