Zoma 22 Febroary 2019

Hanary mandrakizay va ny Tompo ? Tsy hankasitraka intsony va Izy ? Efa nitsahatra mandrakizay va ny famindrampony ? Salamo 77:7, 8

Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Hebreo 13:8

 

Krizy (6) : Ny fanginan’Andriamanitra sy ireo fisalasalana

Ny ohatra (Salamo 77) : Asafa, ilay mpanao mozika, dia mandalo zava-tsarotra ankehitriny, sahiran-tsaina ka tsy mahita tory mihitsy, noho ny fanontaniana hoe : Nahoana Andriamanitra no tsy miditra an-tsehatra mivantana intsony, toy ny taloha, hanasoa ireo mpino ? Nahare ireo fanafahan’Andriamanitra fahiny izy, fa ankehitriny kosa dia toa mangina Andriamanitra. Koa dia feno fangidiana i Asafa, ary azon’ny fisalasalana.

Tampoka teo anefa dia tonga saina izy, hoe diso lalana. Koa tsy nitaraina intsony izy. Niova ny eritreriny. Ankehitriny vao hitany fa nisy zava-mahatalanjona, navelan’Andriamanitra hitranga teo amin’ny fiainany tany aloha. Tsapany fa eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra ihany no ahatsapana ny halehibeazan’ireny asany ireny, na dia mbola zava-miafina hatrany aza ny sasany.

Ny lesona : Miteraka fisaintsainana toy izany, indraindray, ny zava-tsarotra mitranga eo amin’ny fiainantsika : tsaraintsika arakaraka izay toejava-mitranga amintsika ny fitiavan’ny Tompo. Satria toa tsy niditra an-tsehatra intsony Izy, dia manomboka misalasala ny aminy isika. Tsy manova na inona na inona amin’ny toetrany tsy miovaova, anefa, ny fihevitra toy izany ; ary manakana antsika aza, tsy hankafỳ ireo fampiononana omaniny ho antsika. Afaka miteny tahaka an’i Asafa ihany koa isika hoe : “Ny fanahiko tsy nety nampiononina” (and 2).

Fahadisoana ny mitaraina ka mihevitra fa moramora kokoa ny fiainan’ireo mpino fahiny. Nenjehina mafy mihitsy ny sasany tamin’izy ireny. Andao hiova fijery, ary handinika ny lalana efa nodiavina sady hitanisa ny zava-tsoa nomen’Andriamanitra tamin’izany. Tsy toy ny tany aloha angamba ny fomba fiasany, kanefa mitoetra ho Ilay “tsy miova” Izy. Nitantana ireo mpino fahiny Izy, ary mbola hitantana ny mpino ankehitriny koa. Tia antsika Izy.