Asabotsy 23 Febroary 2019

Fa antomotra ny faran’ny zavatra rehetra ; koa hendre ka mahonona tena ho amin’ny fivavahana. 1 Petera 4:7

(Hoy Jesosy tamin’ny mpianany :) Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra. Marka 16:15

 

Fambara

Hisy farany izao tontolo izao, kanefa rahoviana ? Tsy manome fotoana raikitra ny Tenin’Andriamanitra, nefa kosa manome antsika filazana mazava momba ny ho toetoetran’ny fotoana any am-parany. Ny toetoetra voalohany dia ny fitomboan’ny ratsy : “Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara” (2 Timoty 3:2-5).

“Fa ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa” (2 Timoty 3:13). Toetra iray hafa manamarika ireo fotoan-tsarotra ireo koa, ny fitombon’ny antokom-pivavahana mpamitaka, ny fiantsoana fanahy ratsy, ny fanompoana fanahy hafa : “... ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia, amin’ny fihatsarambelatsihin’ny mpilaza lainga” (1 Timoty 4:1, 2).

Hisy angamba hilaza fa efa teo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona ny fitotonganana ara-toe-panahy mbamin’ny herisetra toy izany. Saingy ny maha samy hafa azy, dia nafenina araka izay azo natao izany, tamin’ny fotoana taloha, fa ankehitriny kosa dia atao ankarihary io faharatsiana io. Any amina firenena lazaina fa nandray ny fivavahana kristiana, dia manjary hamarinina hoe ara-dalàna, ankehitriny, ny zavatra noraran’ny lalàna taloha. Izany no antsoin’ny Baiboly hoe “fihemorana” : ny filazana hoe tsara izay nambaran’Andriamanitra fa ratsy.

Ry kristiana, mampitandrina antsika mazava tsara ny Tenin’Andriamanitra : izao tokoa, ary tena izao, no ora farany. Avy ny Tompo ! Aoka isika ho vonona, na ara-toe-tsaina na ara-toe-panahy, ary aoka handresy lahatra ny olona fa tokony hiomana alohan’ny hiverenan’i Jesosy Kristy.