Alahady 24 Febroary 2019

Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. Matio 6:33

Fa ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina. Fa izay manompo an’i Kristy amin’izany zavatra izany no sitrak’Andriamanitra sy eken’ny olona fa tsara. Romana 14:17-18

 

Ny zava-dehibe indrindra

Ny zava-dehibe, hono, dia ny mahatratra ny tanjona nokendrena. Irina ny ho tafita, any an-tsekoly aloha. Aorianan’izany, fiofanana tena mahomby no hitondra amina asa voalohany mahaliana ; nefa tsy hadino koa ny fanatanjahantena, ny fitetezan-tany, ny fialamboly…

Satria mantsy, hono, misy zavatra mbola lehibe kokoa noho ny fahombiazana, dia ny fahasalamana, ary koa ny fikatsahana izay mahasoasoa : sakafo, torimaso, fialan-tsasatra isan-karazany… Saingy tsy misy olona voaaro tsy hiharan-doza ; ary mety hahatratra ny tsirairay koa ny aretina, na tsimoramora izany na tampoka.

Ny Tompo Jesosy dia nampiseho lehilahy iray nametraka tanteraka ny fitokiany tao amin’ireo fananana voaangony, ka niantehitra tamin’izany (Lioka 12:13-21). Nanantena ny hisitraka izany “ho amin’ny taona maro” izy, kanjo hoy Andriamanitra taminy : “Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’iza izay zavatra noharìnao ?”

Nahatonga an’io lehilahy hanadino an’Andriamanitra ny fikatsahana sy fitantanana ireo harena eto an-tany. Nony tsapany ny fahadisoany sy ny hadalany, dia efa tara loatra.

Koa ny zava-dehibe indrindra, izany, ny maika indrindra, dia ny mikatsaka ny “fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany”, izany hoe manaiky ny fahefan’Andriamanitra eo amin’ny fiainako ary mitady izay hahafaly Azy. Tsy afaka miditra ao amin’io fanjakana io ny olona, raha tsy “hateraka indray”, hoy Jesosy (Jaona 3:7), izany hoe hataon’Andriamanitra manjary marina eo anatrehany. Eo aoriana kely dia asehon’i Jesosy ny fomba handraisana izany fiainam-baovao sy fahamarinana izany : tsy maintsy mino Azy (Jaona 3:16). Dia hiainan’ny mpino, dieny eto amin’izao tany izao, ny atao hoe fanjakan’Andriamanitra, dia ny fahamarinana, ny fiadanana ary ny fifaliana.