Alatsinainy 25 Febroary 2019

Satria malala eo imasoko ianao, eny, be voninahitra ianao sady tiako. Isaia 43:4

Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao. Jeremia 31:3

 

Tsara satria tiana

Saribakoly tonta tsy misy tongony izay, no mba hany kilalaon’ity zazavavy kely iray, ka hoy ity olona iray taminy : “Ratsy tarehy izany saribakolinao izany”. Nofihininy teo an-tratrany sy nosafosafoiny kely aloha ilay saribakoly ; dia nasehony tamin’ilay olona niteny taminy, sady hoy izy hoe : “Izao izy dia tsara tarehy !” Izany sehon-javatra izany dia mampahatsiahy ahy zazavavy kely iray hafa, izay niteny tamin’ny reniny hoe : “Neny ô, tsara tarehy ianao, satria tiako !”

Toa mora amin’ny ankizy ny mahatakatra avy hatrany io toetra “manova” ananan’ny fitiavana io… Tia antsika Andriamanitra, tsy hoe satria isika marin-toetra, na tsara tarehy, na tia olona, fa mba hahatonga antsika ho araka izany. Te hanova antsika ho tsara fanahy Andriamanitra, satria tia antsika. Ny fitiavany no mahay miteraka izany fiovana izany ao anatintsika.

Rehefa mandinika bolongam-bato tsy misy endrika ny mpanao sokitra, dia tsy mihevitra io toetra voalohany io, fa mieritreritra kosa ilay asan-tanany tsara endrika, rehefa vita. Araka izany, tsy miorina amin’izay ao anatin’ny mpino ny fitiavan’ny Tompo azy ireo, fa amin’izay ao anatin’ny fon’Izy Tompo, sy amin’izay hanaovany azy ireo : hataony mitovy endrika aminy, indray andro any.

Dia toy izany koa, ny fitiavantsika ny mpino hafa, rahalahy sy anabavintsika, dia tsy tokony hiankina amin’izay tsara ao amin’izy ireo, fa amin’izay nataon’ny Tompo ho azy ireo, sy izay hanaovany azy ireo. Toy izany ny fomba tokony hifampijerentsika. Raha ny kilema na tsinin’ny tsirairay no asongadintsika, dia ho kivy isika, matetika. Fa raha ilay olona nahatonga an’i Kristy ho faty hamonjy azy (Romana 14:15) no hitantsika ao amin’ny rahalahintsika, dia ho haintsika ny hitia azy io toy ny fitiavan’i Kristy azy koa (Efesiana 5:1, 2).