Talata 26 Febroary 2019

Tsy misy marina na dia iray akory aza ; tsy misy izay mahafantatra, tsy misy izay mitady an’Andriamanitra... tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza. Romana 3:10-12

 

“Poizina informatika”

Ny solosaina, amin’ny indray mipy maso, dia mahatelina marika tsy tambo hisaina, mandinika azy ireo, mampitaha azy ireo, mikajy ary manome valiny eo no ho eo. Iza ankehitriny no afaka hilaza hoe tsy mila io milina io ? Kanefa ny solosaina, raha ampidirana baiko kely manimba —antsoina hoe “poizina informatika”, mba hahatsotra ny fiteny—, dia mety fongana ireo marika rehetra notehirizina tao, ary tsy mankatò ny tompony intsony ilay milina.

Tsy mampiseho an-tsary ny olombelona ve izany ? Izy tokoa no sangan’asan’Ilay Andriamanitra Mpahary. Mahay misaina ny olombelona, mahay mamorona ao an-tsainy, misafidy, manamboatra, mitia… Nefa isika, tahaka ny solosaina tratran’ny poizina informatika, dia tsy mahay mamokatra izay mahafaly an’Andriamanitra, izay tsara, marina ary maha te ho tia, fa manjary voatarika ho amin’ny fitiavan-tena, avonavona, fitsiriritana. Natao hanompo sy hanaja Ilay Mpahary antsika isika, nefa dia tratran’ny poizin’ny ota, ka nahatonga an’Andriamanitra hanambara ny fahamarinana tsy azo iadian-kevitra hoe : “Fa tsy misy hafa, fa samy efa nanota izy rehetra” (Romana 3:22, 23).

Ny solosaina tratran’ny poizina dia tsy ho azo ampiasaina indray, raha tsy nandalo eo an-tanan’ny manam-pahaizana manokana. Toy izany koa isika tsirairay, satria mpanota, dia tsy maintsy miaiky ny maha mpanota antsika, sy miantoraka eo am-pelatanan’Andriamanitra. Dia omeny aina vaovao isika, ny ain’i Jesosy Kristy.

“Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. Fa izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin’ny alalan’i Kristy” (2 Korintiana 5:17, 18).