Alarobia 27 Febroary 2019

Mifaly amin’ny famonjenao aho. 1 Samoela 2:1

Eny, zava-dehibe no nataon’i Jehovah ho antsika, ka dia faly isika. Salamo 126:3

 

Ny fahasambarana vaovao azony

Vao nahare i Vonjy fa voan’ny homamiadana ambara ho mahafaty haingana dia haingana ny reniny… Toy ny nilatsaham-baratra izy, ary akory moa ny alahelony !

« Ho faty ny reniko, kanefa tsy afaka hanampy azy akory aho, tsy misy na inona na inona azoko lazaina aminy mba hampahery azy ». Tao anatin’ny fahakiviany i Vonjy dia niantso an’Andriamanitra, Izay tsy fantany akory, ka hoy izy hoe : « Mila Anao izahay. Raha misy tokoa Ianao, dia misehoa amiko ».

Andro vitsivitsy taorianan’izany izy dia nifanena tamina kristiana iray niresaka taminy ny momba an’i Jesosy, Ilay Mpamonjy, Ilay manafaka antsika amin’ny fahantrantsika ara-toe-panahy sy te hampitony ny fanaintainantsika. Nampahafantarin’io kristiana io koa ny fangorahan’i Jesosy, sy ny fanantenana velona avelany ho an’ny mpino, dia ny hiaraka aminy tsy ho ela, ary ho mandrakizay ; nampahafantariny ihany koa ny tranon’ny Ray, ka ao dia hofafana ny ranomaso rehetra ary tsy hisy intsony ny fahafatesana (Apokalypsy 21:4).

Nahatalanjona an’i Vonjy tokoa ny nahafantarany izany, tao anatin’ny fahoriany ! Koa teo no ho eo ihany izy dia te hifampizara tamin’ny reniny ny fahasambarana vaovao azony. Noresahiny taminy izany, tamin’ny fomba mandresy lahatra ananan’ny finoana vao mitsiry. Dia niantefa tamin’ny fieritreretan’ny reniny koa ny faharesen-dahatr’i Vonjy. Ary farany dia hitan’i Vonjy fa nofenoin’i Jesosy fiadanana ny fon’ny reniny.

Nindaosin’ny fahafatesana io reny malala io, noho ilay aretina, kanefa lasa any an-tratran’Ilay Mpiandry tsara. Nihetsi-po i Vonjy, nijoro ho vavolombelona, niteny hoe : « Ambarako ihany, na dia sarotra lazaina aza, fa ireo andro faramparany niarahako tamin’ny reniko ireo no fotoana tsara indrindra teo amin’ny fiainako. Nanana zavatra iray lehibe aoka izany nifampizarana izahay ! Nofenoin’i Jesosy fitiavana sy fiadanana tsy hay lazaina ny fonay ».

“Andriamanitra no aro sy hery ho antsika ; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy” (Salamo 46:1). “Ny rany (ran’i Jesosy Kristy) teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany fampihavanana” (Kolosiana 1:20).