Alakamisy 28 Febroary 2019

Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manamitrano sy mangalatra. Fa miharia harena ho anareo any an-danitra. Matio 6:19, 20

 

Harena toy inona ?

Matetika isika no tototry ny asa aman-draharaha andavanandro, ka mety hanadino fa sarobidy ny fotoana, izay mikoriana tsy hay sakanana. Ny fiainantsika dia tahatahaka ny labozia manomboka mirehitra amin’ny fotoana ahaterahantsika, ary mihalany hatrany. Ny fotoana mandalo dia mampanatona antsika amin’ny andro hahafatesany. Na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy ho levona avokoa ny zavatra rehetra ananantsika : harena, fahaizana, laza, fananana… Ny fahafatesana dia hampiala ahy ho mandrakizay teto amin’ity tontolon’ny zava-manana aina sy ny zavatra azo tsapain-tanana ity ! Koa tsy maintsy misaina ny momba izany aho.

Manoloana io fe-potoana io àry, ahoana no hampiasako am-pahendrena ny aina nomena ahy, alohan’ny hahataperany ? Ambaran’ny Baiboly “fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay” (2 Korintiana 4:18). Ny Tenin’Andriamanitra dia manavaka karazana harena roa ihany koa, ka zava-dehibe ny mahatakatra tsara izay maha samy hafa azy ireo.

Ny harena etỳ an-tany, izay hita maso, dia mandalo : vola, fahombiazana amin’ny endriny rehetra, ary koa andro iainana lava sy milamina, fahasalamana, ankohonana…

Ny harena ara-panahy, izay tsy hita maso, dia maharitra : ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra, ny fahazoana antoka ny famonjena, ny fiainana mandrakizay, ny nahatonga an’Andriamanitra ho Raintsika, tamin’ny nananganany antsika ho zanany noho ny asa nataon’i Jesosy Kristy.

Ny tena fahendrena dia ny mikatsaka ireo harena ara-panahy ireo, izay hanana ny lanjany ho mandrakizay.