Zoma 1 Marsa 2019

Jehovah ô ; tsarovy aho... Noho ny aminao no nitondrako latsa. Hitako ny teninao ka nohaniko, ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan’ny foko. Jeremia 15:15, 16

Izay rehetra te ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina. 2 Timoty 3:12

 

Krizy (7) : Fahoriana ara-toe-panahy aman-tsaina

Ny ohatra (Jeremia 20:1-18) : Aza sarotra tanterahina no nanirahana an’i Jeremia mpaminany, dia ny hanambara fa ho babon’ny mpanjakan’i Babylona, tsy ho ela intsony, i Jerosalema. Tsy misy lalana ahafahana miala amin’izany ve ? Misy lalana iray, hoy i Jeremia namaly : atsaharo ny fanaovan-dratsy ary miverena amin’i Jehovah. Saingy tsy mety ianareo !

Naverimberin’i Jeremia ny hafatra nampitondraina azy… Tsy nisy nihaino izy, avy eo nesoina, ary farany, nenjehina ka naiditra an-tranomaizina. Nambarany ny fahoriany, nahita ny fireneny nisafidy ny ratsy ka ho very. Tao anatin’izany fahoriany izany, anefa, dia mbola afaka nivavaka sy niresaka tamin’Andriamaniny izy, hoe : “Hitako ny teninao ka nohaniko”. Nampanantena io vavolombelony mahatoky io Andriamanitra, hoe hanafaka azy.

Ny lesona : Ry namana mpamaky, manodidina antsika ny ratsy, sady ao anatintsika, ary ... eo anivon’ny mpino koa aza. « Ny zavatra mampalahelo indrindra, hoy ity tompon’andraikitra kristiana iray, dia ny faharatsiana misy ao anatin’ny fiangonana ! » Niaritra ny fanenjehan’ny mpiray firenena aminy i Jeremia… Fahoriana anie izany e !

Nahoana moa no misy mpino mijaly noho ny tsy rariny ataon’ireo rahalahiny amin’ny finoana ? Satria izy te hankatò ny Tenin’Andriamanitra, eo anivona tontolo kristiana mirona hihataka amin’izany. Mangirifiry izany hoe tsy azon’ny olona izany, kanefa mpino maro efa nanolo-tena no nandalo tamin’izany (Jakoba 5:10). Ary raha tsy maintsy miaritra fahoriana toa izany koa aho, dia ny Tompo no manohana ny finoako. Ataony tsapako fa miombom-po amiko Izy, ary mihoatra noho izany aza, tia … ny olony rehetra Izy. Ao amin’ny Teniny no ahitako hery sy fampiononana, ary “firavoravoan’ny foko” mihitsy aza, tahaka an’i Jeremia.