Asabotsy 2 Marsa 2019

(Hoy Jesosy :) Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna ; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. Apokalypsy 3:20

Ny firaisanay dia amin’ny Ray sy amin’i Jesosy Kristy Zanany. 1 Jaona 1:3

 

Fiombonana (1)

Matoa miara-misakafo, dia satria misy fifankatiavana, faniriana hifanakalo, hifampizara hafaliana sy adin-tsaina. Araka izany, Jesosy dia naniry mafy ny hiara-misakafo farany amin’ny mpianany, alohan’ny hijaliany (Lioka 22:15). Samy mitantara izany sakafo farany izany ny filazantsara efatra. Tamin’io hariva io no naorina ny Fanasan’ny Tompo, dia ny mofo sy ny divay izay niriny hifampizarana amin’ny mpianany, alohan’ny hanomboana Azy eo amin’ny hazofijaliana. Horesahina rahampitso izany lohahevitra lehibe izany.

Fa eto isika dia hijery ny fihetsiky ny Tompo sy ny tombontsoa azo amin’io fihaonana io, ho an’ny olony. Tia azy ireo ny Tompo. Raha mbola teo am-pisakafoana izy ireo, dia Izy, Izay Mpampianatra, no nanetry tena. Nanasa ny tongotry ny mpianany tsirairay Izy, mba hahatsapa fiadanana izy ireo eo amin’ny fanatrehany. Niombom-po tamin’izay nanavesatra azy ireo ny Tompo, toy ny milaza hoe : Fantatro ny herin’i Satana, ny hamadihan’i Jodasy, ny fahalemena sy fitiavan’ny tsirairay… Koa niteny Izy hoe : “Aza malahelo na matahotra ny fonareo… Matokia ; Izaho efa naharesy izao tontolo izao” (Jaona 14:27 ; 16:33). Rehefa miara-misakafo amin’i Jesosy, dia mahazo tombony noho ny fangoraham-pony mahatalanjona.

Nefa nanana tanjona hafa ihany koa Jesosy : hizara ny eritreriny amin’ireo mpianany, izay nantsoiny hoe “sakaiza”, “zanaka”. Noresahiny tamin’izy ireo ny tranon’ny Ray, ny rohy mampiombona azy ireo amin’ny Ray, ary nambarany taminy koa ny hiavian’ny Fanahy Masina, Izay hiaraka amin’izy ireo mandrakariva.

Izay rehetra “mandray” ny Tompo dia mahita hoe Olona mampahery Izy, na inona na inona miseho. Miaraka amin’izany koa, ny Tompo dia mampiditra azy ireo ao anatin’ny tontolon’ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny mpino rehetra, tontolo izay tsy inona fa ny Fiangonany. Amin’izany isika dia tarihiny hanana fiombonana amin’ny Ray, amin’ny Tompo, ary amin’ireo olony.