Alahady 3 Marsa 2019

Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo ianareo mandra-piaviny. 1 Korintiana 11:26

(Hoy Jesosy :) Izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy. Lioka 22:19

 

Adidy mba hahatsiaro (2)

Toerana maro, na hoe “toeram-pahatsiarovana”, no mitaona antsika hampaharitra hatrany ny fahatsiarovana olo-malaza na fotoana lehibe, matetika nampidi-doza, teo amin’ny tantara.

Ho an’ny kristiana dia misy tsangambato fahatsiarovana lehibe lavitra noho ireny, satria mampahatsiaro sorona iray tsy miverina, trangan-javatra tsy misy toa azy teo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona : “Ny nanaterana ny tenan’i Jesosy Kristy indray mandeha” (Hebreo 10:10). Tsy nisy olona niaina fijaliana ara-panahy toy ny niaretan’i Jesosy Kristy. Nafoin’Andriamanitra Izy, Ilay hany olona tsy nanan-tsiny, ary nizaka teo amin’ny hazofijaliana ny fanamelohana sahaza ny fahotan’ireo rehetra manaiky handray ny famonjena.

Io tsangambato fahatsiarovana ny fijalian’i Jesosy Kristy sy ny fahafatesany io, dia Izy tenany mihitsy no nanorina azy : io no Fanasan’ny Tompo raisina isan’alahady (1 Korintiana 11:20). Ny mofo sy ny divay dia mampahatsiahy ny mpino ny asa notanterahin’ny Tompo, noho ny fitiavany azy ireo. Atolotra azy ireo ny mofo, ho fahatsiarovana ny tenany “natolotra” ho azy ireo, sady ho famantarana anehoana ny maha iray ny tenany ara-panahy, izay voarafitry ny tena kristiana rehetra (1 Korintiana 10:16-17 ; 11:24). Ny kapoaky ny Fanasan’ny Tompo dia manambara ny rany latsaka (Matio 26:27-28) sy ireo fitahiana vokatr’izany, ho an’ny mpino.

Ry kristiana, isika ve efa namaly ny fanirian’ny Mpamonjintsika, izay nolazainy “tamin’iny alina iny izay namadihana Azy”, mba hanambara “ny fahafatesan’ny Tompo ... mandra-piaviny” (1 Korintiana 11:23, 26) ?