Alatsinainy 4 Marsa 2019

Henika aretina avokoa ny loha rehetra, ary marary ny fo rehetra. Hatramin’ny faladia ka hatramin’ny loha dia ... ratra sy dian-kapoka ary fery vao. Isaia 1:5, 6

Dia nitaraina tamin’i Jehovah ireo, raha ory, ka novonjeny... Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy. Salamo 107:19, 20

 

Ny tantarantsika sy ny tantarany

Hoy ity olona iray notoroako hevitra mba hamaky ny Baiboly : « Ao dia misy tantara hafahafa, ary tena henjana aza, indraindray ».

Marina izany. Ao amin’ny Testamenta Taloha indrindra indrindra, dia misy tantara maro izay tsy azo lazaina velively hoe mahafinaritra, ary mety hanafintohina sy haha te hanameloka mihitsy aza. Nefa raha tsy tao izy ireny, dia tsy ho marina ny Baiboly. Ny Baiboly mantsy dia mampiseho amintsika ny olombelona, araka ny fahitan’Andriamanitra azy ireo, tsy misy ilay sarontava fihatsarambelatsihy iafenany matetika loatra. Vonoan’olona, fijangajangana, fanolanana, fimamoana, fanompoan-tsampy, lainga, fivadihana… tsy misy na inona na inona afinafenina, mba tsy hanamaivanantsika ny halalin’ny haratsian’ny fon’ny zanak’olombelona. Andriamanitra, Izay milaza ny marina amintsika mandrakariva, dia mitaona antsika hamantatra ny tenantsika, ao amin’ny filazalazany tsy mandokadoka mihitsy ireo olona maromaro ratsy fitondrantena ka melohiny. Ary tsy misy tsimbininy, na dia ireo mpanompony aza.

Fa ny tantara mampihoron-koditra indrindra ao amin’ny Baiboly, ny tena maneho indrindra ny fikomian’ny olona amin’Andriamanitra, moa ve tsy ny namonoan’izy ireo Ilay Zanany tonga tetỳ an-tany mba hampahafantatra ny fitiavany ?

Mamirapiratra eo amin’izany toejavatra matroka mampamoy fo izany ny tantaran’i Jesosy, tantara madio sady tsy misy pentina, araka ny asehon’ny Filazantsara. Misongadina hatrany, eo amin’ny dingana tsirairay ataon’i Jesosy, ny fifanoheran’ny fihetsiny, fiteniny, fihetseham-pony, sy ny antsika. Mahatalanjona ny tantarany, manilika tanteraka ny an’ny zanak’olombelona, izay mahantra indrindra ! Miankohoka isika rehefa mamaky ny tantaran’i Jesosy.