Talata 5 Marsa 2019

Ny rany (ran’i Jesosy Kristy) teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany fampihavanana. Kolosiana 1:20

Ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken’ny ran’i Kristy. Fa Izy no fihavanantsika. Efesiana 2:13, 14

 

Fiadanam-po

Manamarika mafy izao vanim-potoana iainantsika izao ny tebiteby sy ny fitaintainana. Ny anton’izany, matetika, dia ny faneriteren’ny fiarahamonina ankehitriny. Ny maha irery koa, na ny tahotra ny ampitso, dia samy manala ny fiadanana tsy ho ao anatin’ny saintsika. Fa inona moa izany no atao hoe fiadanam-po e ? Ny hoe fiadanam-po dia fahatsapana fa voaro, fahatsapana mifamatotra amina fahazoana antoka. Raha mba miresaka izany amin’ny manodidina ianao, dia toy izao, matetika, no tenenin’ny olona : « Ny fiadanana ve ? Izany indrindra no katsahiko, kanefa ahoana no hahazoana izany ? », na hoe : « Fiadanana ? Nofinofy sy fitaka ihany izany ! » Ahoana tokoa moa no hananana fiadanana sy fitoniana, ao anatina fiarahamonina miha tia tena kokoa hatrany, korontanin’ny enjikenjika tsy misy farany mbamin’ny fitakiana samihafa sy ny tsy fananana antoka…

Mitondra valiny sy vahaolana ho amin’izany ny Baiboly. Hoy Jesosy tamin’ny mpianany, talohan’ny hankanesany eo amin’ny hazofijaliana : “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo ; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo” (Jaona 14:27). Namela ho azy ireo ny fiadanana Izy, satria hanao fampihavanana amin’Andriamanitra ho azy ireo, eo amin’ny hazofijaliana, ka hiaritra ny fitsarana sahaza ny fahotan’izy ireo. Avy eo, rehefa nitsangana tamin’ny maty Jesosy, dia nihaona tamin’izy ireo sy niteny taminy, ary miteny amin’ireo rehetra mino Azy, hoe : “Fiadanana ho anareo”, ka nanome ho azy ireo ny fiadanam-po, dia ny fiadanany.

Tsy izany indrindra ve no tena ilain’ireo izay manirery, mivadi-po, na matahotra ? Mandray an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjiko sy Tompoko, ary koa miaina dieny ankehitriny ny fanatrehany, ny fiadanany, ao anatin’ny foko. Dia mbola hisy hampatahotra ahy ihany ve izay toejavatra mitranga eo amin’ny fiainana, ny fahafatesana, ny hoavy ? nefa Jesosy, Izay efa nitsangana tamin’ny maty, no tonga miteny amiko hoe : Ny fiadanako no omeko anao, fiadanana tsy misy fetra, tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao !