Alarobia 6 Marsa 2019

Ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo. Raha misy olona manao hoe : Miadana sy mandry feizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana. 1 Tesaloniana 5:2, 3

Ny aroko dia ao amin’Andriamanitra. Salamo 62:7

 

Fitoniana ivelany

Tsaroan’i Fred Kamaka tsara. « Hawaï, desambra 1941:17 taona aho tamin’izay. Vao tonga tany an-tsekoly aho, ny marainan’io andro io. Tony nahafinaritra ny andro, manga toy ny volory ny lanitra, ary feno hanitry ny voninkazo ny rivotra. Nisy rahona fotsy madinika nihantona teny ambonin’ny tendrombohitra. Tazana ny hatreny ambany, ny seranana Pearl Harbor, izay nahitana sambo mpiady 8 miantsona, miavaka tsara. Mbola nisy koa sambo mpiady madinidinika 8 sy sambo mpanafika 29… fitambaran’ireo sambo mpiady amerikana tany amin’ny ranomasimbe Pasifika.

Tampotampoka teo dia nisy fiaramanidina vitsivitsy, nitranga teny amin’ny habakabaka nanandrify ny tendrombohitra. Dia nihamaro hatrany izy ireo ka nidina nanitsy ambany, mba handatsaka baomba. Nahatazana afo boribory sy setroka toa rahona aho, talohan’ny nandrenesako fipoahana. Tsy nisy nanampo ny fanafihan’ny Japoney. Nipoaka ny ady tany amin’ny ranomasimbe Pasifika. Mampihoron-koditra ny vokatra naterak’izany, tonga hatramin’ny baomba atomika nalatsaka tany Japon. »

Mbola hampivarahontsana lavitra noho izany ny andron’ny fitsaran’Andriamanitra. Samy niresaka momba izany avokoa, na ireo mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha, na ny Tompo Jesosy mihitsy, na ireo apostoly. Ho avy amin’ny fotoana tsy ampoizina ihany koa izay andro izay, saingy efa nampitandremana ara-potoana ny olombelona. Tsy tian’Andriamanitra ho very ny olona, fa tiany ho voavonjy (1 Timoty 2:4). Izany no mahatonga ny Baiboly, izayTenin’Andriamanitra, sy ny kristiana, hampitandrina hoe : “Ny olona no ampanekenay… Mihavàna amin’Andriamanitra anie ianareo” (2 Korintiana 5:11, 20). Izao anio izao mihitsy no tokony horaisana ny fahasoavany, horaisana am-pankasitrahana sy tahotra.