Alakamisy 7 Marsa 2019

Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin’ny fanarahana ny fahamarinana ho amin’ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra, dia mifankatiava fatratra amin’ny fo ; fa efa teraka indray ianareo... tamin’ny ... tenin’Andriamanitra, izay velona sady maharitra. 1 Petera 1:22, 23

 

Fampitandremana ny amin’ny loto

Mitebiteby kokoa hatrany ny mpitondra eran-tany, noho ny resaka loto. Araka ny vinavinan’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana, dia mihoatra ny 7 tapitrisa isan-taona ny olona maty alohan’ny fotoana, vokatry ny loto. Tena olana mahakasika ny fahasalamam-bahoaka ny loto. Miantraika mivantana amin’ny fahasalaman’ny vatantsika ny toetran’ny rivotra fohintsika. Fa inona kosa no holazaina, momba ny tontolo ara-toe-panahy manodidina antsika sy ny fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny fanahintsika ?

Tsy « sombin-javatra bitika, na gaza karbonika… » no iantsoana ireo singa mandoto, fa « fisalasalana, tsy finoana, fikomiana, fanoherana an’Andriamanitra ». Ireo dia miteraka fankahalana, herisetra, fahavetavetana… Izany loto izany, izay mitsofoka ao anaty amin’ny alalan’ny maso sy ny sofina, dia mahatratra ny fanahy sy ny fo, dieny any amin’ny fahazazana. Ary tena mahatsiravina ny fahavoazana aterany, sady maharitra dia maharitra ny vokany. Tsy hita izay fanafana hiadiana amin’izany onja izany, izay manafotra izao tontolo izao ary mahatonga ny fitsaran’Andriamanitra.

Nefa misy ny fanafody, ho an’ny olona tsirairay, dia ny Tenin’Andriamanitra, Teny velona sy mahery ary maranitra (Hebreo 4:12) ! Izay mandray sy mino azy, dia mahazo fanadiovana feno sy mahavonjy.

Ndao hihaino tsara izay nolazain’i Jesosy tamin’ny Rainy, momba ireo mpianany : “Efa nomeko azy ny teninao… Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy. Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao. Manamasìna azy amin’ny fahamarinana ; ny teninao no fahamarinana” (Jaona 17:14-17).