Zoma 8 Marsa 2019

Joba... nanao hoe : Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon’ineny, ary mitanjaka no hiverenako any ; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra ; isaorana anie ny anaran’i Jehovah ! Joba 1:20, 21

 

Krizy (8) : Aretina sy fisarahana

Ny ohatra (Joba 3) : Joba dia mpino mahitsy toetra, ary nanaja an’Andriamanitra. Olona nanankarem-be izy ; kanefa tao anatin’ny andro vitsivitsy monja dia fongana ny fananany rehetra : nirodana ny trano, dia maty tao ny zanany, ary rava noho ny loza samihafa izay rehetra nananany. Izay ihany ve ? Tsia, fa nisy koa aretin-koditra nampijaly azy tsy an-kiato.

Krizy ara-panahy moa izany, ho an’i Joba ! Re ao amin’ny tantara izy, tsy nitsahatra nitaraina tamin’Andriamantra, nilaza ny fahoriany, ny fisalasalany, ny fanontaniana nianjady taminy… Nefa tsikelikely teny, dia niha nazava ny tao an-tsainy. Niha nadio ny finoany, niha natsilo ny fahalalany an’Andriamanitra. Hoy izy : “Fandrenesan’ny sofina ihany no nandrenesako Anao ; fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao” (Joba 42:5).

Ny lesona : Goavana tokoa ireo fahavoazana nisesy namely an’i Joba… Mampieritreritra antsika izany, kanefa manome lesona ara-panahy tena sarobidy. Lesona roa sosona : andaniny, afaka tamin’ny fomba fisainana tsy mamokatra i Joba, ary ankilany, natoky an’Andriamanitra sy nanome voninahitra Azy izy, nanambara hoe : “Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra” (Joba 42:2).

Inona no holazaina, manoloana fahavoazana toy izany sy fitomboana ara-panahy toy izany ? Ny fitsapana ny finoan’i Joba dia niteraka faharetana ; ary ny faharetana, nahatonga “asa tanteraka” tao aminy (Jakoba 1:4).

Raha mandalo fotoan-tsarotra na fisarahana mampangirifiry isika, dia aza kivy ! Toa an’i Joba, dia aoka hanohy hiresaka amin’ny Tompo hatrany, ary hanambara aminy na dia ny fangidiana ao anatintsika aza. Farany dia ho hitantsika “fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo” (Jakoba 5:11).